Dia novorin’i Môizy ny loholona rehetra amin’i Israely, ka nilazany hoe: «Mifidiana sy makà zanak’ondry iray ho an’ny fianakavianareo, ka vonoy ny Paka.
Eksodosy 13:13 - Baiboly Katolika Avoty amin’ny zanak’ondry ny voalohan-teraky ny ampondra, fa raha tsy avotanao dia folahy ny hatony; ary avoty koa ny voalohan-terak’olombelona rehetra amin’ny zanakao lahy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny voalohan-teraky ny boriky dia hosoloanao zanak’ondry; fa raha tsy hanolo azy ianao dia hofolahinao ny vozony. Ary ny lahimatoa rehetra amin’ny olona eo amin’ny zanakao dia havotanao. DIEM PROTESTANTA Ny voalohan-teraky ny boriky kosa dia soloy zanakondry lahy na zanakosy lahy; fa raha tsy izany, dia aolàny hatoka izy ho faty. Ny lahimatoa rehetra amin’ny olona eo amin’ny taranakareo kosa dia havotanareo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny voalohan-teraky ny boriky kosa dia soloy zanakondry lahy na zanakosy lahy; fa raha tsy izany, dia aolàny hatoka izy ho faty. Ny lahimatoa rehetra amin’ny olona eo amin’ny taranakareo kosa dia havotanareo. Baiboly Protestanta Malagasy ary ny voalohan-teraky ny boriky dia hosoloanao zanak’ondry; fa raha tsy hanolo azy hianao, dia hofolahinao ny vozony; ary ny lahimatoa rehetra amin’ny olona eo amin’ny zanakao dia havotanao. Malagasy Bible ary ny voalohan-teraky ny boriky dia hosoloanao zanak'ondry; fa raha tsy hanolo azy ianao, dia hofolahinao ny vozony; ary ny lahimatoa rehetra amin'ny olona eo amin'ny zanakao dia havotanao. La Bible en Malgache Ny voalohan-teraky ny boriky dia hosoloanao zanak’ondry; fa raha tsy hanolo azy ianao dia hofolahinao ny vozony. Ary ny lahimatoa rehetra amin’ny olona eo amin’ny zanakao dia havotanao. |
Dia novorin’i Môizy ny loholona rehetra amin’i Israely, ka nilazany hoe: «Mifidiana sy makà zanak’ondry iray ho an’ny fianakavianareo, ka vonoy ny Paka.
Ary mitenena amin’ny fiangonan’i Israely rehetra ataovy hoe: Amin’ny andro fahafolon’ity volana ity, samia ianareo maka zanak’ondry iray avy isam-pianakaviana, zanak’ondry iray isan-trano.
«Atokàny ho Ahy ny lahy matoa rehetra, izay lahy matoa rehetra amin’ny zanak’i Israely, na olona na biby fa Ahy izany.»
Zanak’ondry ny hanavotanao ny voalohan-teraky ny ampondra; na hofolahinao ny hatony raha tsy havotanao izy. Havotanao ny lahy matoa rehetra amin’ny zanakao; ary aza miseho eo anatrehako tsy mitondra fanatitra ianao.»
Ireo no tsy nandoto tena tamin’ny vehivavy, fa virjiny izy. Ireo no manaraka ny Zanak’ondry na aiza na aiza alehany. Ireo no navotana avy amin’ny olona, ho santatra ho an’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry;