Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 12:49 - Baiboly Katolika

Lalàna iray ihany no ho an’ny tompon-tany sy ny vahiny mitoetra eo aminareo.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Lalàna iray no ho amin’ny tompon-tany sy ny vahiny izay mitoetra eo aminareo.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

«Fepetra mitovy no ampiharina amin’ny Israelita sy ny vahiny valovotaka eo amin’ny taninareo.»

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

«Fepetra mitovy no ampiharina amin’ny Israelita sy ny vahiny valovotaka eo amin’ny taninareo.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Lalàna iray no ho amin’ny tompon-tany sy ny vahiny izay mitoetra eo aminareo.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Lalàna iray no ho amin'ny tompon-tany sy ny vahiny izay mitoetra eo aminareo.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Lalàna iray no ho amin’ny tompon-tany sy ny vahiny izay mitoetra eo aminareo.

Jereo ny toko



Eksodosy 12:49
9 Rohy Ifampitohizana  

Dia nataon’ny zanak’i Israely rehetra izay nandidian’i Iaveh an’i Môizy sy i Aarôna; izany no nataony.


Fa ataovy toy ny tompon-tany ihany no fitondra ny vahiny mitoetra eo afovoanareo, tiavo toy ny tenanareo izy; fa efa mba vahiny tany amin’ny tany Ejipta koa ianareo. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.


Hofehezin’izany lalàna iray izany avokoa ianareo na vahiny na tompon-tany, fa Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.


Amin’ny tompon-tany isan’ny zanak’i Israely sy amin’ny vahiny mitoetra eo aminareo dia lalàna iray ihany no ho anareo, raha misy manota tsy nahy.


Ireo no ho tanàna fialofana, ary ireo tanàna enina ireo, dia ho fialofana ho an’ny zanak’i Israely, ho an’ny vahiny ary ho an’izay mitoetra eo aminareo, mba handosiran’izay rehetra nahafaty olona tsy nahy.


Raha vahiny mitoetra eo aminareo no manao ny Pakan’i Iaveh dia hotandremany ny lalàna amam-pitsipika momba ny Paka. Lalàna iray ihany no ho anareo, na ho an’ny vahiny na ho an’ny tompon-tany.»


Ka tsy misy Jody na Jentily intsony; tsy misy mpanompo na tsy mpanompo, tsy misy lahy na vavy intsony, fa tena iray ihany ianareo rehetra ao amin’i Kristy Jesoa.


ka tsy mahalala intsony izay hoe Jentily na Jody, voafora na tsy voafora, barbarianina na Sita, mpanompo na olona afaka, fa izao ihany: i Kristy no zavatra rehetra ao amin’izy rehetra.