Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 12:42 - Baiboly Katolika

Alina niaretan-tory ho an’i Iaveh ilay alina namoahany azy avy tany Ejipta, ka izany alina izany dia ho alina fiaretan-tory hankalazana an’i Iaveh, ho an’ny zanak’i Israely rehetra isan-taranany.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Alina natao hotandremana ho an’NY TOMPO izany satria nitondrany azy ireo hivoaka avy tamin’ny tany Ejipta; eny, izany alina izany dia an’NY TOMPO ka hotandreman’ny Zanak’Israely rehetra hatramin’ny taranany fara aman-dimby.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Niari-tory ny TOMPO tamin’io alina io mba hamoahany ny vahoakany hiala tao Ejipta; koa tsy maintsy hiari-tory hatrany hatrany koa ny Israelita rehetra amin’io alina io, fa natokana ho an’ny TOMPO izany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Niari-tory ny TOMPO tamin’io alina io mba hamoahany ny vahoakany hiala tao Ejipta; koa tsy maintsy hiari-tory hatrany hatrany koa ny Israelita rehetra amin’io alina io, fa natokana ho an’ny TOMPO izany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Alina notandreman’i Jehovah izany, hitondrany azy hivoaka avy tamin’ny tany Egypta; eny, izany alina izany dia an’i Jehovah ka hotandreman’ny Zanak’Isiraely rehetra hatramin’ny taranany fara mandimby.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Alina notandreman'i Jehovah izany, hitondrany azy hivoaka avy tamin'ny tany Egypta; eny, izany alina izany dia an'i Jehovah ka hotandreman'ny Zanak'Isiraely rehetra hatramin'ny taranany fara mandimby.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Alina natao hotandremana ho an’NY TOMPO izany satria nitondrany azy ireo hivoaka avy tamin’ny tany Ejipta; eny, izany alina izany dia an’NY TOMPO ka hotandreman’ny Zanak’Israely rehetra hatramin’ny taranany fara aman-dimby.

Jereo ny toko



Eksodosy 12:42
6 Rohy Ifampitohizana  

Nitondra an’i Israely hivoaka avy teo aminy, fa mandrakizay ny famindram-pony.


Hataonareo tsy very tadidy izany andro izany, fa hankalazainareo amin’ny fety hiderana an’i Iaveh, hankalazainareo amin’ny taranakareo mifandimby, ho zavatra nalahatra haharitra mandrakizay.»


Hotandremanao amin’ny fotoany, isan-taona isan-taona izany didy izany.»


Dia hoy i Môizy tamin’ny vahoaka: «Tsarovinareo ny andro nivoahanareo tany Ejipta, tamin’ny trano fanandevozana, fa tamin’ny herin’ny tanany no namoahan’i Iaveh anareo tany. Tsy hatao ny mihina-mofo misy lalivay.


«Tandremo ny fetin’ny Azima. Hafitoana no hihinananao mofo tsy misy lalivay, araka ny nandidiako anao, amin’ny fotoana voafetra amin’ny volana abiba, satria tamin’ny volana abiba no nivoahanao tany Ejipta.»