Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 12:39 - Baiboly Katolika

Nandrahoiny nataony mofo fisaka tsy voaisy lalivay ny koba nentiny avy any Ejipta, fa tsy voaisy lalivay, satria noroahina izy tany Ejipta ka tsy nahazo niatoato na naka vatsy hoentiny akory.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nanendy mofo tsy nisy masirasira tamin’ny koba nohamandoina izay noentiny avy tany Ejipta izy ireo; tsy mbola tonga masirasira ilay izy satria noroahina tany Ejipta izy ireo ka tsy nahazo nitaredretra, tsy nisy fotoana hanomanana vatsy akory.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia nendasiny ho mofo tsy misy leviora ny koba voalena izay nentiny nivoaka avy tany Ejipta; fa tsy mbola voaisy leviora akory ny koba dia noroahin’ny Ejiptianina ny Israelita, ka tsy afaka nitaredretra mba hanomana vatsy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia nendasiny ho mofo tsy misy leviora ny koba voalena izay nentiny nivoaka avy tany Ejipta; fa tsy mbola voaisy leviora akory ny koba dia noroahin’ny Ejiptianina ny Israelita, ka tsy afaka nitaredretra mba hanomana vatsy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia nanendy mofo tsy nisy masirasira tamin’ny koba voalena izay nentiny avy tany Egypta izy: fa tsy mbola voaisy masirasira izany, satria noroahina tany Egypta izy ka tsy nahazo nijanona sady tsy nahafehy vatsy ho azy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia nanendy mofo tsy nisy masirasira tamin'ny koba voalena izay nentiny avy tany Egypta izy: fa tsy mbola voaisy masirasira izany, satria noroahina tany Egypta izy ka tsy nahazo nijanona sady tsy nahafehy vatsy ho azy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nanendy mofo tsy nisy masirasira tamin’ny koba nohamandoina izay noentiny avy tany Ejipta izy ireo; tsy mbola tonga masirasira ilay izy satria noroahina tany Ejipta izy ireo ka tsy nahazo nitaredretra, tsy nisy fotoana hanomanana vatsy akory.

Jereo ny toko



Eksodosy 12:39
5 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Loza iray sisa hamelezako an’i Faraôna sy i Ejipta, fa rehefa afaka izany, dia halefany hiala atỳ ianareo; ary rehefa handefa anareo tokoa izy, dia horoahiny aza ianareo hiala atỳ.


Mbola tsy voaisy lalivay akory ny koban’ny olona dia nentiny; ny sobika no nofonosiny tao anaty kapaotiny dia niantsorohiny.


Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Tsy ho ela akory dia ho hitanao izay hafitsoko an’i Faraôna, fa noho ny tanana mahery dia handefa ireo handeha izy; noho ny tanana mahery dia handroaka azy hiala amin’ny taniny.»


Ary nanao fanoharana hafa taminy koa Izy hoe: Ny fanjakan’ny lanitra dia mitovy amin’ny lalivay, izay nalain’ny vehivavy anankiray ka nataony tao amin’ny koban-dafarina intelon’ny famarana, mandra-pahazon’ny lalivay azy rehetra.