Tonga tamin’i Abimeleka tamin’ny nofy anefa Andriamanitra nony alina, ka nanao taminy hoe: «Indro ho faty ianao, noho ny amin’ny vehivavy nalainao, fa vadin’olona izy.»
Eksodosy 12:33 - Baiboly Katolika Nododonan’i Ejiptianina erỳ ny vahoaka, fa maika handefa azy hiala amin’ny tany ireo, fa hoy izy: «Maty avokoa izahay.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nandodona ny olona ny Ejiptiana ka nampandeha azy haingana hiala tamin’ny tany satria hoy izy: Ho faty avokoa izahay rehetra! DIEM PROTESTANTA Nandodona ny Israelita ny Ejiptianina ka nandroaka azy hiala faingana teo amin’ny tany, satria nihevitra izy ireo fa ho faty avokoa. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nandodona ny Israelita ny Ejiptianina ka nandroaka azy hiala faingana teo amin’ny tany, satria nihevitra izy ireo fa ho faty avokoa. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nandodona ny olona ny Egyptiana ka nampandeha azy faingana hiala tamin’ny tany, satria hoy izy: Maty avokoa izahay rehetra. Malagasy Bible Dia nandodona ny olona ny Egyptiana ka nampandeha azy faingana hiala tamin'ny tany, satria hoy izy: Maty avokoa izahay rehetra. La Bible en Malgache Dia nandodona ny olona ny Ejiptiana ka nampandeha azy haingana hiala tamin’ny tany satria hoy izy: Ho faty avokoa izahay rehetra! |
Tonga tamin’i Abimeleka tamin’ny nofy anefa Andriamanitra nony alina, ka nanao taminy hoe: «Indro ho faty ianao, noho ny amin’ny vehivavy nalainao, fa vadin’olona izy.»
Nifaly tamin’ny nahalasanany ny Ejiptianina, satria nahazo an’ireo ny fahatahorana an’i Israely.
Ka hoy ny mpanompon’i Faraôna taminy: «Mandra-pahoviana no ho fandrika ho antsika ralehilahy iny? Alefaso handeha ireo olona ireo, hanompoany an’i Iaveh Andriamaniny. Tsy mbola hitanao ve fa efa ho levona ity i Ejipta?»
Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Loza iray sisa hamelezako an’i Faraôna sy i Ejipta, fa rehefa afaka izany, dia halefany hiala atỳ ianareo; ary rehefa handefa anareo tokoa izy, dia horoahiny aza ianareo hiala atỳ.
Nandrahoiny nataony mofo fisaka tsy voaisy lalivay ny koba nentiny avy any Ejipta, fa tsy voaisy lalivay, satria noroahina izy tany Ejipta ka tsy nahazo niatoato na naka vatsy hoentiny akory.»
Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Tsy ho ela akory dia ho hitanao izay hafitsoko an’i Faraôna, fa noho ny tanana mahery dia handefa ireo handeha izy; noho ny tanana mahery dia handroaka azy hiala amin’ny taniny.»
Fa tsy hikoropaka no hivoahanareo, ary tsy handositra no ho fandehanareo; fa i Iaveh no mandeha eo alohanareo, ary ny Andriamanitr’i Israely no ho vodilalanareo!»