Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 12:25 - Baiboly Katolika

Rehefa tafiditra any amin’ny tany homen’i Iaveh anareo ianareo, araka ny nampanantenainy, dia hotandremanareo izany fomba masina izany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary rehefa tonga any amin’ny tany izay homen’NY TOMPO anareo araka izay nolazainy ianareo dia tandremo izany fanompoana izany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Koa rehefa tafiditra ao amin’ny tany izay efa nampanantenain’ny TOMPO homena anareo ianareo, dia tandremo io fanompoam-pivavahana io.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Koa rehefa tafiditra ao amin’ny tany izay efa nampanantenain’ny TOMPO homena anareo ianareo, dia tandremo io fanompoam-pivavahana io.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary rehefa tonga any amin’ny tany izay homen’i Jehovah anareo araka izay nolazainy hianareo, dia tandremo izany fanompoana izany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary rehefa tonga any amin'ny tany izay homen'i Jehovah anareo araka izay nolazainy ianareo, dia tandremo izany fanompoana izany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary rehefa tonga any amin’ny tany izay homen’NY TOMPO anareo araka izay nolazainy ianareo dia tandremo izany fanompoana izany.

Jereo ny toko



Eksodosy 12:25
11 Rohy Ifampitohizana  

Didy hotandremanareo izany, ho zavatra nalahatra haharitra mandrakizay, ho anareo sy ny taranakareo.


Ary raha hanontany anareo ny zanakareo hoe: Inona no hambaran’izao fomba masina izao aminareo?


Hotandremanao amin’ny fotoany, isan-taona isan-taona izany didy izany.»


Ary raha avy izay hahatafidiran’i Iaveh anao any amin’ny tanin’ny Kananeanina, ny Heteanina, ny Amôreana, ny Heveanina ary ny Jeboseanina, izay nianianany tamin’ny razanao homeny anao, tany tondra-dronono aman-tantely, dia hataonao izany fomba masina izany, amin’ny volana toy izao.


Ka hoy Aho: Hoentiko ianareo hiakatra avy any Ejipta, izay amoretana anareo, ho any amin’ny tanin’ny Kananeanina, ny Heteanina, ny Amôreana, ny Ferezeanina, ny Heveanina ary ny Jeboseanina, any amin’ny tany tondra-dronono aman-tantely.


Ka hidina aho hamonjy azy amin’ny tanan’ny Ejiptianina, hitondra azy miakatra avy amin’ity tany ity, ho any amin’ny tany mahavokatra sy malalaka, tany tondra-dronono aman-tantely, dia any amin’ny tany honenan’ny Kananeanina, ny Heteanina, ny Amôreana, ny Ferezeanina, ny Heveanina ary ny Jeboseanina.


Efa notoroako didy amam-pitsipika ianareo araka ny nandidian’i Iaveh ahy hitandremanareo izany any amin’ny tany hidiranareo hanananareo azy.