Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 12:19 - Baiboly Katolika

Tsy tokony hisy lalivay ao an-tranonareo mandritra ny hafitoana, fa na zovy na zovy hihinana mofo misy lalivay, dia hofongorana tsy ho eo amin’ny fiangonan’i Israely, na vahiny izany na tera-tany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Hafitoana no tsy hisiana masirasira ao an-tranonareo; fa na iza na iza homana izay misy masirasira dia hofongorana tsy ho eo amin’ny fiangonan’ny Israely, na vahiny na tompon-tany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Fito andro no tsy tokony hahitana leviora ao an-tranonareo; fa na iza na iza mihinana sakafo misy leviora, na vahiny na Israelita, dia hofongorana tsy ho anisan’ny fiangonan’i Israely izy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fito andro no tsy tokony hahitana leviora ao an-tranonareo; fa na iza na iza mihinana sakafo misy leviora, na vahiny na Israelita, dia hofongorana tsy ho anisan’ny fiangonan’i Israely izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Hafitoana no tsy hisiana masirasira ao an-tranonareo; fa na iza na iza homana izay misy masirasira dia hofongorana tsy ho amin’ny fiangonan’ny Isiraely, na vahiny na tompon-tany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Hafitoana no tsy hisiana masirasira ao an-tranonareo; fa na iza na iza homana izay misy masirasira dia hofongorana tsy ho amin'ny fiangonan'ny Isiraely, na vahiny na tompon-tany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Hafitoana no tsy hisiana masirasira ao an-tranonareo; fa na iza na iza homana izay misy masirasira dia hofongorana tsy ho eo amin’ny fiangonan’ny Israely, na vahiny na tompon-tany.

Jereo ny toko



Eksodosy 12:19
13 Rohy Ifampitohizana  

«Hafitoana ianareo hihinana mofo tsy misy lalivay; ka vao amin’ny andro voalohany, dia foany lalivay ny tranonareo; fa na zovy na zovy hihinana mofo misy lalivay, hatramin’ny andro voalohany ka hatramin’ny andro fahafito, dia hofongorana tsy ho eo amin’i Israely.


Koa tsy hihinana mofo misy lalivay ianareo; ao amin’ny tranonareo rehetra dia mofo tsy misy lalivay no hohaninareo.»


Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy sy i Aarôna: «Izao no didy momba ny Paka: Ny olon-kafa firenena tsy hisy hihinana azy.


Raha misy vahiny mitoetra ao aminao, mba te-hanao ny Pakan’i Iaveh, dia hoforàna avokoa ny lehilahy ao an-tranony, vao manatona hanao izany izy, ka ho toy ny tompon-tany izy; fa ny tsy voafora tsy hihinana aminy.


Dia hoy i Môizy tamin’ny vahoaka: «Tsarovinareo ny andro nivoahanareo tany Ejipta, tamin’ny trano fanandevozana, fa tamin’ny herin’ny tanany no namoahan’i Iaveh anareo tany. Tsy hatao ny mihina-mofo misy lalivay.


Mandritra ny hafitoana no hihinanana mofo tsy misy lalivay; tsy hahitana mofo voaisy lalivay ao aminao: tsy hahitana lalivay ao aminao, eran’ny taninao rehetra;


Hitandrina ny fetin’ny Azima ianao; mandritra ny hafitoana dia hihinana mofo tsy misy lalivay ianao araka ny nandidiako anao, amin’ny fotoam-boafetra amin’ny volana abiba, fa tamin’io volana io no nivoahanao tany Ejipta; ka aza miseho eo anatrehako tsy mitondra fanatitra.


Na zovy na zovy hanamboatra tahaka an’io na hanosotra izany amin’ny olona tsy fanosotra azy, dia hofongorana tsy ho eo amin’ny fireneny.»


«Tandremo ny fetin’ny Azima. Hafitoana no hihinananao mofo tsy misy lalivay, araka ny nandidiako anao, amin’ny fotoana voafetra amin’ny volana abiba, satria tamin’ny volana abiba no nivoahanao tany Ejipta.»


«Amin’ny volana voalohany, andro fahefatra ambin’ny folon’ny volana amin’ilay àty takariva iny, dia Pakan’i Iaveh.


Raha olona madio sady tsy misy dia nalehany, no tsy mankalaza ny Paka, dia hoesorina amin’ny fireneny izy; noho izy tsy nanolotra ny fanatitra ho an’i Iaveh amin’ny fotoana voatendry dia hilonjy ny fahotany izy.


Aza mihinana mofo misy lalivay miaraka amin’ireo sorona ireo, fa mofo tsy misy lalivay no hano mandritra ny hafitoana, dia mofom-pahoriana, satria tamim-pahamaikana no nivoahanao tany amin’ny tany Ejipta, mba hahatsiarovanao ny andro nivoahanao tany Ejipta, amin’ny andro rehetra iainanao.