Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Mankanesa any amin’i Faraôna, fa efa nahadonto ny fony sy ny fon’ny mpanompony Aho, hanaovako ny famantarako eo afovoany,
Eksodosy 10:27 - Baiboly Katolika Nohamafisin’i Iaveh anefa ny fon’i Faraôna, ka tsy nety nandefa azy ireo i Faraôna. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nefa NY TOMPO nanamafy ny fon’i Farao ka tsy nety namela ny olona handeha izy. DIEM PROTESTANTA Ary ny TOMPO manamafy fo ny Farao ka tsy mety handefa ny Israelita izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary ny TOMPO manamafy fo ny Farao ka tsy mety handefa ny Israelita izy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Jehovah dia nanamafy ny fon’i Farao, ka tsy nety nandefa azy izy. Malagasy Bible Ary Jehovah dia nanamafy ny fon'i Farao, ka tsy nety nandefa azy izy. La Bible en Malgache Nefa NY TOMPO nanamafy ny fon’i Farao ka tsy nety namela ny olona handeha izy. |
Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Mankanesa any amin’i Faraôna, fa efa nahadonto ny fony sy ny fon’ny mpanompony Aho, hanaovako ny famantarako eo afovoany,
Nohamafisin’i Iaveh anefa ny fon’i Faraôna ka tsy nalefan’i Faraôna nandeha ny zanak’i Israely.
Nanao ireo fahagagana rehetra ireo teo anatrehan’i Faraôna i Môizy sy i Aarôna, ka tsy navelany hiala amin’ny taniny ny zanak’i Israely.
Ary hohamafisiko ny fon’i Faraôna ka hanenjika azy izy. Nefa hataoko miseho miharihary ny voninahitro ao amin’i Faraôna sy ny tafiny rehetra, ka ho fantatry ny Ejiptianina fa Iaveh Aho. Dia nataon’i zanak’i Israely izany.
Nohamafisin’i Iaveh ny fon’i Faraôna, mpanjakan’i Ejipta, ka nanenjika ny zanak’i Israely i Faraôna, ary tamin’ny tanana voasandratra no nivoahan’ny zanak’i Israely.
Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Eny am-pandehanana hiverina ho any Ejipta, diniho an-tsaina ireo fahagagana rehetra napetrako eo am-pelatananao ireo; hataonao eo anatrehan’i Faraôna ireo. Fa Izaho kosa hanamafy ny fony, ka tsy havelany handeha ny vahoaka.
Koa dia izay tiany hamindram-po no amindrany fo, ary izay tiany hohamafisim-po no hamafisiny fo.
Tsy nibebaka hiala amin’ny asan-tanany anefa ny olona sisa tsy matin’ireo loza ireo, mba tsy hivavahany amin’ny demony sy ny sampy volamena sy volafotsy sy varahina ary vato aman-kazo, izay tsy mahajery na mahare na afa-mamindra akory;