Ary i Nôe dia nanorina ôtely ho an’i Iaveh, ka naka tamin’ny biby madio rehetra mbamin’ny vorona madio rehetra, dia nanolotra sorona dorana teo ambony ôtely.
Eksodosy 10:25 - Baiboly Katolika Fa hoy i Môizy: «Tsy maintsy atolotrao eo an-tananay izay hataonay sorona sy sorona dorana amin’i Iaveh Andriamanitray. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nefa hoy i Mosesy: Ianao no hanome ho eto an-tananay izay hatao fanatitra halatsa-dra sy fanatitra dorana manontolo hatolotray ho an’NY TOMPO Andriamanitray. DIEM PROTESTANTA Namaly azy i Mosesy hoe: –Tsia, fa ianao mihitsy no hanolotra eo an-tananay ny biby hataonay sorom-pihavanana sy sorona dorana manontolo amin’ny TOMPO Andriamanitray. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Namaly azy i Mosesy hoe: –Tsia, fa ianao mihitsy no hanolotra eo an-tananay ny biby hataonay sorom-pihavanana sy sorona dorana manontolo amin’ny TOMPO Andriamanitray. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Mosesy: Hianao no hanolotra eto an-tànanay izay fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-dra haterinay ho an’i Jehovah Andriamanitray; Malagasy Bible Ary hoy Mosesy: Hianao no hanolotra eto an-tananay izay fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drà haterinay ho an'i Jehovah Andriamanitray; La Bible en Malgache Nefa hoy i Mosesy: Ianao no hanome ho eto an-tananay izay hatao fanatitra halatsa-dra sy fanatitra dorana manontolo hatolotray ho an’NY TOMPO Andriamanitray. |
Ary i Nôe dia nanorina ôtely ho an’i Iaveh, ka naka tamin’ny biby madio rehetra mbamin’ny vorona madio rehetra, dia nanolotra sorona dorana teo ambony ôtely.
Koa nampaka an’i Môizy i Faraôna nilazany hoe: «Mandehana ianareo, manompoa an’i Iaveh, ka ny ondry sy ny ombinareo ihany no hijanona; fa na dia ny zanakareo madinika aza mahazo mandeha miaraka aminareo koa.»
Ary ny biby fiompinay hiaraka aminay koa, fa tsy misy havela na dia kitrony iray aza; satria amin’ireo no hangalanay hoenti-manompo an’i Iaveh Andriamanitray; ary na dia izahay aza dia mbola tsy mahalala akory izay tokony hoentinay manompo an’i Iaveh, raha tsy efa tonga any.»
Manorena ôtely tany ho ahy, ka eo amboniny no hanoloranao ny sorona doranao, ny sorom-pihavananao, ny ondrinao sy ny ombinao. Hanatona anao sy hitahy anao Aho amin’ny toerana rehetra hanaovako izay hahatsiarovana ny Anarako.
Hampanatonin’i Aarôna ny osy lahy iray niharan’ny loka ho an’i Iaveh, ka hatolony ho sorona noho ny ota.
Dia nasandratr’i Aarôna manandrify ny vahoaka ny tanany, ka nitso-drano azy izy; ary nidina izy, nony avy nanolotra ny sorona noho ny ota sy ny sorona dorana ary ny sorom-pihavanana.