Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 10:20 - Baiboly Katolika

Nohamafisin’i Iaveh anefa ny fon’i Faraôna ka tsy nalefan’i Faraôna nandeha ny zanak’i Israely.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nefa NY TOMPO nanamafy ny fon’i Farao ka tsy namela ny Zanak’Israely handeha ihany izy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Kanefa ny TOMPO mbola manamafy fo ny Farao ka tsy nandefa ny Israelita izy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Kanefa ny TOMPO mbola manamafy fo ny Farao ka tsy nandefa ny Israelita izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Nefa Jehovah nanamafy ny fon’i Farao, ka tsy nandefa ny Zanak’Isiraely izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Nefa Jehovah nanamafy ny fon'i Farao, ka tsy nandefa ny Zanak'Isiraely izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nefa NY TOMPO nanamafy ny fon’i Farao ka tsy namela ny Zanak’Israely handeha ihany izy.

Jereo ny toko



Eksodosy 10:20
13 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Mankanesa any amin’i Faraôna, fa efa nahadonto ny fony sy ny fon’ny mpanompony Aho, hanaovako ny famantarako eo afovoany,


ka rivotra avy any andrefana kosa indray no nampifofofofoin’i Iaveh mafy ka nipaoka ny valala, sy namarina azy amin’ny ranomasina Mena; ary tsy nisy tafajanona ny valala, na dia tapikany iray aza, tany Ejipta tontolo.


Nohamafisin’i Iaveh anefa ny fon’i Faraôna, ka tsy nety nandefa azy ireo i Faraôna.


Nanao ireo fahagagana rehetra ireo teo anatrehan’i Faraôna i Môizy sy i Aarôna, ka tsy navelany hiala amin’ny taniny ny zanak’i Israely.


Fantatro ihany fa tsy hamela anareo handeha ny mpanjakan’i Ejipta, raha tsy amin’ny tanana mahery;


Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Eny am-pandehanana hiverina ho any Ejipta, diniho an-tsaina ireo fahagagana rehetra napetrako eo am-pelatananao ireo; hataonao eo anatrehan’i Faraôna ireo. Fa Izaho kosa hanamafy ny fony, ka tsy havelany handeha ny vahoaka.


Nohamafisin’i Iaveh anefa ny fon’i Faraôna ka tsy nihaino an’i Môizy sy i Aarôna i Faraôna araka ny efa voalazan’i Iaveh tamin’i Môizy.


Koa dia izay tiany hamindram-po no amindrany fo, ary izay tiany hohamafisim-po no hamafisiny fo.


Tsy nety namela antsika hamaky ny taniny anefa i Sehôna mpanjakan’i Hesebona; fa efa nohenjanin’i Iaveh Andriamanitrao ny fanahiny, ary efa nohamafisiny ny fony, mba hanolorany azy ho eo an-tananao araka ny hitanao amin’izao anio izao.