Nandeha niady tamin’i Filistinina izy, nazerany avokoa ny mandan’i Geta sy ny mandan’i Jabnià ary ny mandan’i Azota, dia nanao tanàna tany amin’ny faritanin’i Azota sy ny tany amin’ny Filistinina izy.
Amosa 1:8 - Baiboly Katolika haringako ny mponina rehetra ao Azota, sy izay mitana tehim-panjakana ao Askalôna; dia hafotitro amin’i Akarôna indray ny tanako; ka ho faty izay sisa amin’ny Filistinina,» hoy ny Tompo Iaveh. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hofoanako tsy hisy mponina i Asdoda ary tsy hisy hitana tehim-piandrianana ao Askelona; haveriko hamely an’i Ekrona ny tanako ka ho fongana izay sisa amin’ny Filistina, hoy NY TOMPO Andriamanitra. DIEM PROTESTANTA Dia haringako ny mponina ao Asdôda sy ilay mpitana tehim-panjakana ao Askelôna; ary hahodiko hamely an’i Hekrôna ny tanako ka ho faty izay sisa amin’ny Filistinina. Izaho Tompo ANDRIANANAHARY no miteny.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia haringako ny mponina ao Asdôda sy ilay mpitana tehim-panjakana ao Askelôna; ary hahodiko hamely an’i Hekrôna ny tanako ka ho faty izay sisa amin’ny Filistinina. Izaho Tompo ANDRIANANAHARY no miteny.» Baiboly Protestanta Malagasy Ary hofoanako Asdoda tsy hisy mponina, Ary Askelona tsy hisy hitana tehina fanapahana; Dia haveriko ny tànako hamely an’i Ekrona, Ka ho faty izay sisa amin’ny Filistina, hoy Jehovah Tompo. Malagasy Bible Ary hofoanako Asdoda tsy hisy mponina, ary Askelona tsy hisy hitana tehina fanapahana; Dia haveriko ny tanako hamely an'i Ekrona, ka ho faty izay sisa amin'ny Filistina, hoy Jehovah Tompo La Bible en Malgache Hofoanako tsy hisy mponina i Asdoda ary tsy hisy hitana tehim-piandrianana ao Askelona; haveriko hamely an’i Ekrona ny tanako ka ho fongana izay sisa amin’ny Filistina, hoy NY TOMPO Andriamanitra. |
Nandeha niady tamin’i Filistinina izy, nazerany avokoa ny mandan’i Geta sy ny mandan’i Jabnià ary ny mandan’i Azota, dia nanao tanàna tany amin’ny faritanin’i Azota sy ny tany amin’ny Filistinina izy.
Eh! raha mba mihaino ny foeko ny vahoakako, raha mba mandeha amin’ny lalako i Israely!...
Haninjitra ny tanako aminao Aho, ka ny tain-drendrikao hoempoiko toy ny amin’ny sirahazo, ary ny potipoti-pirakao rehetra hoesoriko.
Tamin’ny taona nahatongavan’i Tartana nirahin’i Sargona mpanjakan’i Asiria tany Azota, sy nanaovany fahirano azy, sy nahafahany azy,
Tenin’i Iaveh tonga tamin’i Jeremia mpaminany, ny amin’ny Filistinina, fony i Faraôna tsy mbola namely an’i Gazà.
noho izany dia izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro Aho haninji-tanana amin’ny Filistinina, handringana ny Kretoà, ary handrava izay sisa monina eny amoron-dranomasina.
Ny masoandro hiova ho haizina, ary ny volana ho ra, alohan’ny hahatongavan’ny andron’i Iaveh, izay sady lehibe no mahatahotra.
Ampandreneso eo ambonin’ny lapan’i Azota izao teny izao, ary eo ambonin’ny lapan’ny mpanjakan’i Ejipta koa, ka ataovy hoe: «Miangòna any an-tendrombohitr’i Samaria ianareo, ka zahao izato fikorontanam-be ao aminy, sy izato fahasiahana ao anatiny.»
Ny taranak’i Jakôba, ho afo; ny taranak’i Josefa, ho lelafo; ary ny taranak’i Esao kosa, ho bozaka; ka harehitr’ireo izy sy holevoniny, dia tsy hisy miangana ny taranak’i Esao, fa i Iaveh no efa niteny.
Mifohaza, ry sabatra, hamely ny mpiandry ondriko sy hamely ny lehilahy namako! - teny marin’i Iavehn’ny tafika. - Kapohy ny mpiandry, hihahàfan’ny ondry. Dia hamerina ny tanako ho amin’ny madinika Aho.
Hahita izany i Askalôna, ka hatahotra; i Gazà koa hiolanolana azon’ny fijaliana; ary i Akarôna koa, fa efa ho levona ny fanantenany. I Gazà, tsy hana-mpanjaka intsony, ary tsy honenana intsony i Askalôna.
Vahiny tsy manjary no haka fonenana ao Azota, ary hofoanako ny avonavon’ny Filistinina.
Izao no vay volamena nomen’ny Filistinina ho an’i Iaveh ho fanati-panonerana: iray tamin’i Azota, iray tamin’i Gazà, iray tamin’i Askalôna, iray tamin’i Geta, iray tamin’i Akarôna.