fa izay rehetra mangataka no mahazo, izay mitady no mahita, ary izay mandondòna no hovohana.
3Jaona 1:9 - Baiboly Katolika Nanoratra kely tamin’ny Eglizy aho, nefa tsy te-handray anay i Diôtrefesy izay te-ho lohan’izy ireo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nanoratra tamin’ny fiangonana ihany aho; nefa i Diotrefa, izay te ho lohany, dia tsy mba mandray anay. DIEM PROTESTANTA Efa nanoratra tamin’ny Fiangonana ihany aho; saingy i Diôtrèfa, izay te hanjakazaka olona, no tsy nankatò anay. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Efa nanoratra tamin’ny Fiangonana ihany aho; saingy i Diôtrèfa, izay te hanjakazaka olona, no tsy nankatò anay. Baiboly Protestanta Malagasy Nanoratra tamin’ny fiangonana ihany aho; nefa Diotrefa, izay te-ho lohany, dia tsy mba mandray anay. Malagasy Bible Nanoratra tamin'ny fiangonana Ihany aho; nefa Diotrefa, izay te-ho lohany, dia tsy mba mandray anay. La Bible en Malgache Nanoratra tamin’ny fiangonana ihany aho; nefa i Diotrefa, izay te ho lohany, dia tsy mba mandray anay. |
fa izay rehetra mangataka no mahazo, izay mitady no mahita, ary izay mandondòna no hovohana.
Dia nipetraka Izy ary niantso ny roa ambin’ny folo lahy ka nanao taminy hoe: «Izay te ho voalohany no ho farany indrindra sy ho mpanompon’ny olona rehetra.»
Ary niteny i Joany ka nanao taminy hoe: «Mpampianatra ô, nahita olona anankiray nandroaka demony amin’ny Anaranao izahay; nefa tsy namantsìka ka noraranay.»
dia hoy Izy tamin’izy ireo: «Na iza na iza mandray itony zazakely itony amin’ny Anarako dia mandray Ahy, ary na zovy na zovy mandray Ahy dia mandray Ilay naniraka Ahy; fa izay kely indrindra eo aminareo rehetra dia izy no lehibe.»
Izy no Lohan’ny tena, izany hoe ny Eglizy; Izy no voalohany, dia ny voalohan-teraka tamin’ny maty, mba ho Loha amin’ny zavatra rehetra Izy;
Izay rehetra tafahoatra fa tsy mitoetra amin’ny fampianaran’i Kristy dia tsy manana an’Andriamanitra; fa izay mitoetra amin’ny fampianarana no manana ny Ray sy ny Zanaka.
Tsy maintsy manohana ny olona toy ireny isika, mba ho mpiara-miasa aminy amin’ny fahamarinana.