2Makabeo 15:30 - Baiboly Katolika Ary i Jodasy ilay nanolo-tena manontolo, vatana amam-panahy, hiaro ny iray tanindrazana aminy, sy nitahiry ny fitiavan’ny hatanorany ho an’ny iray firenena aminy, nandidy ny hanapahana ny lohan’i Nikanôra, mbamin’ny tanany miray amin’ny sandriny, sy ny hitondrana izany any Jerosalema. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara I Joda Makabeo dia lohalaharana hatrany nanolo-tena mba hiady vatana am-panahy ho fiarovana ny mpiray tanindrazana aminy, sady efa hatry ny hatanorana izy no tsy nitsaha-nitia ireo mpiray firenena aminy. Izy no nanome baiko ny hanapahana ny lohan’i Nikanôra mbamin’ny taniny miray amin’ny sandriny sy ny hitondrana ireo ho any Jerosalema. |