Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Makabeo 15:21 - Baiboly Katolika

i Jodasy kosa, nahita ity vahoaka sesehena, izato hasamihafan’ny fiadiany, izatsy tarehy mahatsiravin’ny elefanta izay voalahatra tsara tokoa, ka nanangan-tanana nanandrandra ny lanitra, niantso ny Tompo manao fahagagana, satria fantany fa tsy avy amin’ny herin’ny fiadiana ny fandresena; fa Andriamanitra no manapaka izany sy manome izany an’izay mendrika azy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

I Joda Makabeo kosa, rehefa nahita ny tafi-pahavalo zavon-tany sady mirongo fiadiana isan-karazany, ary koa ireto elefanta maneho endrika masiaka, dia nanandra-tanana tamin’Andriamanitra ary niantso ilay Tompo mpanao zava-mahagaga: fantatr’i Joda manko fa tsy ny herin’ny fitaovam-piadiana no ahazoam-pandresena fa ny fanapahan-kevitr’Andriamanitra izay manome izany an’izay mendrika azy.

Jereo ny toko



2Makabeo 15:21
0 Rohy Ifampitohizana