2Makabeo 15:17 - Baiboly Katolika Izany teny mendrika avy amin’i Jodasa izany, izay mety hitarika ny olona hahery fo sy hampitomban-dahy ny tovolahy, dia nampirehitra azy ireo, ka tapa-kevitra tsy hiaro tena fotsiny eo an-toby fa hiantoraka an-kasahiana amin’ny fahavalo, hikiry amin’ny ady, ary hamita ny raharaha, fa ambanan-doza ity ny tanàna, ny fivavahana, ny tempoly. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Izany teny tsara dia tsara avy amin’i Joda Makabeo izany no nahatarika ireo zatovo miaramilany hahery fo sy hitombo fahasahiana. Ambanan-doza i Jerosalema sy ny fivavahana jiosy ary ny tempoly. Koa tapa-kevitra ny tafika jiosy tsy hiaro tena fotsiny ao an-toby, fa hiantoraka tsy am-pisalasalana hiseha-pahavalo, hikiry an’ady ary hamita ny fizotran-draharaha. |