2Makabeo 14:27 - Baiboly Katolika Nisamontitra ny mpanjaka tamin’izay; nentanin’ny endrikendrik’ilay tsy misoro-doza io izy, ka nanoratra ho an’i Nikanôra nilaza ny tsy fankasitrahany velively ny fanekena natao, sy nandidy azy handefa faingana an’i Makabeo migadra, ho any Antiôkia. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nisafoaka ny mpanjaka tamin’izany; ary voambosin’ny endrikendrik’ilay tsy misoro-doza io izy, ka nanoratra ho an’i Nikanôra hoe: «Tsy ankasitrahiko velively ny fifanekena natao, ary mandidy anao aho hisambotra an’i Joda Makabeo sy handefa azy faingana ho aty Antiôkia.» |