2Makabeo 12:42 - Baiboly Katolika Raha efa izany, dia nanomboka nivavaka izy ireo nangataka mba havela tokoa ny fahotana natao; i Jodasa ilay mahery fo kosa, namporisika ny vahoaka hiaro tena ho tsy voalotom-pahotana fa he ity hita maso ny vokatry ny fahotan’izay maty. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ary nanomboka nivavaka izy ka nangataka tamin’ny Tompo mba hamelany tokoa ny fahotana natao. I Joda ilay mahery fo kosa nampirisika ny miaramilany mba hitandrin-tena tsy ho voalotom-pahotana, satria he ity hita maso ny zava-nitranga noho ny fahotan’ireo lavo an’ady ireo. |