2Makabeo 12:4 - Baiboly Katolika Mova tsy ny tsy nanam-pankahalana azy ireo akory izy, fa hevitra niarahan’ny tao an-tanàna rehetra notapahina no nanaovany an’izany. Ny Jody araka ny faniriany te-hihavana, dia nanaiky tsy nanana ahiahy kely akory. Kanjo nony tonga teny afovoany izy ireo, dia nalentiny, nisy 200 mahery no isany raha dia kely. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hevitra niarahan’ny hafa firenena rehetra tao an-tanàna izany, ka neken’ny Jiosy araka ny faniriany te hihavana, ary tsy nananany ahiahy velively. Kanjo nony tonga teny afovoan-dranomasina ireto Jiosy, dia nalentika ho faty an-drano avokoa: roanjato no isany raha farafahakeliny. |