2Makabeo 12:22 - Baiboly Katolika Vao niposaka ny antokony voalohany momba an’i Jodasa, dia nivadi-po ny fahavalo, fa niseho nahatsiravina tamin’izy ireo ny fahefan’ilay mahita ny zavatra rehetra, ka vaky nandositra izy, ny sasany nankatsỳ, ny sasany nankarỳ, hany ka izy samy izy ihany no nifandratra sy nifanatrobaka tamin’ny sabatry ny tenany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny antokon-tafika notarihin’i Joda no nipoitra voalohany, ka mampivadi-po ireo fahavalo, satria niseho nampihorohoro azy ny fahefàn’ilay Andriamanitra mahita ny zava-drehetra; vaky nandositra ny miaramilan’i Timôty, ny sasany nankatsy, ny sasany nankarỳ, hany ka izy samy izy ihany mazàna no nifandratra sy nifanatrobaka tamin’ny sabatra. |