2Makabeo 12:21 - Baiboly Katolika Nony ren’i Timoteo fa tamy i Jodasy dia nasainy nentina ny zaza amam-behivavy mbamin’ny fananany ho ao amin’ny fitoerana anankiray, atao hoe Karniôna, fa fitoerana tsy azo anihina sy sarotra hatonina io, satria èty ny lalana faleha amin’io faritany io. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Rehefa ren’i Timôty fa tamy i Joda, dia nalefany ny zaza amam-behivavy mbamin’ny fananany hankao amin’ny tanàna anankiray atao hoe Karnaîma. Toerana tsy voaani-pahavalo izy io sady sarotra hatonina, satria ety ny lalana rehetra mankao. |