2Makabeo 12:2 - Baiboly Katolika Kanefa ireo jeneraly teo amin’ny tany, i Timoteo sy i Apôlôniosa zanak’i Gena, mbamin’i Herônima sy i Demôfôna, nanampy ireo koa i Nikanôra governoran’i Sipra, dia tsy namela azy ireo handry feizay, na hiaina amim-piadanana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Kanefa ireo governora teo an-toerana, izany hoe i Timôty sy i Apôlôny ilay zanakalahin’i Genea, mbamin’i Hierônima sy i Demôfôna, niampy an’i Nikanôra filohan’ireo miaramila sipriôty, dia tsy namela ny Jiosy handry feizay na hiaina amim-piadanana. |