Nony avy eo izy, ka efa lasa sivy stady, ndeha hamely an’i Timoteo, dia nisy Arabo nirotsaka tamin’i Jodasy; 5.000 izy no miaramila an-tongotra, ary 500 ny an-tsoavaly.
Niala tao Jamnià i Joda, dia niroso hamely an’i Timôty. Efa lasa roa kilaometatra ny dia no nisy Arabo nirotsaka hifanehatra amin’i Joda; antokon-tafika dimy ireo Arabo an-tongotra, ary andian-tafika dimy ireo an-tsoavaly.