2Makabeo 10:30 - Baiboly Katolika Nataon’ny roa tamin’izy ireo teo afovoany i Makabeo, dia nambenany tsy haratra, nosaronany tamin’ny fiadiany; niaraka tamin’izay, dia nalefany ny zana-tsipìka sy ny varatra, nojanjanany ny fahavalo, izay efa jenjina sy nivadi-po ka lavo nifanaritaka. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nataon’izy ireo teo afovoany i Joda Makabeo, dia narovany tamin’ny fiadiany ary nambenany tsy ho voaratra; fa ny fahavalo kosa nandefasany tselatra toy ny zana-tsipîka, hany ka jenjina sy nivadi-po ary dia nihahaka tao anaty korontana goavana. |