Ary hoy i Israely tamin’i Josefa: «Indro aho efa ho faty. Kanefa Andriamanitra homba anareo ka hampody anareo ho any amin’ny tanindrazanareo indray.
2Timoty 4:6 - Baiboly Katolika Fa izaho dia mova tsy ny efa haidina ho fanatitra sahady, ary efa antomotra ny andro hialako. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa izaho dia efa hatolotra ho fanatitra aidina sahady ary efa mba akaiky ny andro fialako. DIEM PROTESTANTA Fa izaho moa dia efa halatsa-dra ho sorona araraka, efa mby akaiky ny fotoanandro hialako amin’izao fiainana izao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa izaho moa dia efa halatsa-dra ho sorona araraka, efa mby akaiky ny fotoanandro hialako amin’izao fiainana izao. Baiboly Protestanta Malagasy Fa izaho dia efa hatolotra sahady, ary efa mba akaiky ny andro fialako. Malagasy Bible Fa izaho dia efa hatolotra sahady, ary efa mba akaiky ny andro fialàko. La Bible en Malgache Fa izaho dia efa hatolotra ho fanatitra aidina sahady ary efa mba akaiky ny andro fialako. |
Ary hoy i Israely tamin’i Josefa: «Indro aho efa ho faty. Kanefa Andriamanitra homba anareo ka hampody anareo ho any amin’ny tanindrazanareo indray.
Ary hoy i Josefa tamin’ireo rahalahiny: «Izaho ity ho faty; nefa Andriamanitra kosa dia hamangy anareo tokoa sy hampiakatra anareo avy amin’ity tany ity ho any amin’ny tany nianianany homena an’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba.»
Dia hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Indro, antomotra ny fotoana hahafatesanao; koa antsoy i Jôsoe, ary tongava ao an-trano lay fihaonana ianareo, mba hanomezako azy ny didiko.» Dia nandeha nankao an-trano lay fihaonana i Môizy sy i Jôsoe,
fa sanganehana eo anelanelan’izy roa ireo aho: ny handeha ho any amin’i Kristy moa, iriko sy tsara lavitra:
Ary faly aho na dia ny tenako aza no haidina hampombaina ny fanolorana amam-pisoronan’ny finoanareo, ka miara-mifaly aminareo rehetra.
Ary inty aho, efa handeha amin’ny falehan’ny tany rehetra, koa fantaro amin’ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra, fa tsy misy foana akory na dia iray aza, ny teny rehetra nolazain’i Iaveh ny aminareo; tanteraka avokoa ho anareo izany, tsy nisy latsaka na dia iray aza.