Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Timoty 2:6 - Baiboly Katolika

ary ny mpiasa tany tsy maintsy misasatra aloha, ka raha efa izany vao mandray ny vokatra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ny mpiasa tany izay misasatra no tokony ho voalohany handray ny vokatra.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ny mpamboly izay misasatra no tokony ho voalohany mandray izay anjarany amin’ny vokatra.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ny mpamboly izay misasatra no tokony ho voalohany mandray izay anjarany amin’ny vokatra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ny mpiasa tany izay misasatra no tokony ho voalohany handray ny vokatra.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ny mpiasa tany izay misasatra no tokony ho voalohany handray ny vokatra.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ny mpiasa tany izay misasatra no tokony ho voalohany handray ny vokatra.

Jereo ny toko



2Timoty 2:6
14 Rohy Ifampitohizana  

Izay mitahiry ny aviaviny hihinana ny voany; ary izay miaro ny tompony homem-boninahitra.


Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny lehilahy tompon-trano, izay nivoaka maraina koa hanakarama mpiasa, ho any an-tanimboalobony.


Ilay nandray talenta dimy dia nandeha nampiasa izany, ka nahazo tombom-barotra dimy koa.


Ary hoy Izy tamin’izy ireo: Be ny vokatra, fa ny mpijinja no vitsy; koa mangataha amin’ny tompom-bokatra mba hanirahany mpiasa hijinja ny vokany.


Ary noho ny Evanjely no nanaovako izany rehetra izany, mba hananako anjara aminy.


Diniho izay lazaiko aminao, fa homen’ny Tompo fahalalana amin’ny zavatra rehetra ianao.


Ilainareo tokoa ny faharetana, mba hahazoanareo izay nampanantenaina anareo, rehefa nanao ny sitrapon’Andriamanitra ianareo.


Hasoavin’Andriamanitra ny tany vontosan’ny orana milatsaka aminy matetika, ka mahavokatra anana tsara ho an’izay niasana azy;