Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Jaona 1:4 - Baiboly Katolika

Faly dia faly aho, fa nahita ny zanakao sasany mandeha amin’ny fahamarinana, araka ny didy noraisintsika tamin’ny Ray.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Faly indrindra aho satria misy hitako ny zanakao sasany mandeha amin’ny marina araka ny nandraisantsika didy tamin’ny Ray.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Faly tokoa aho tamin’ny nahitako ny zanakao sasany miaina ny hafatra marim-pototra, araka ny didy noraisintsika tamin’ny Ray.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Faly tokoa aho tamin’ny nahitako ny zanakao sasany miaina ny hafatra marim-pototra, araka ny didy noraisintsika tamin’ny Ray.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Faly indrindra aho, satria misy hitako ny zanakao sasany mandeha amin’ny fahamarinana araka ny nandraisantsika didy tamin’ny Ray.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Faly indrindra aho, satria misy hitako ny zanakao sasany mandeha amin'ny fahamarinana araka ny nandraisantsika didy tamin'ny Ray.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Faly indrindra aho satria misy hitako ny zanakao sasany mandeha amin’ny marina araka ny nandraisantsika didy tamin’ny Ray.

Jereo ny toko



2Jaona 1:4
12 Rohy Ifampitohizana  

Efraima... Inona no mbola mba hataony any amin’ny sampy? Izaho no efa mamaly ny fangatahany sy mitsinjo azy; tahaka ny sipresa maitso Aho; Izaho no iavian’ny voanao.


Ny lalàn’ny fahamarinana no teo am-bavany; ny ratsy tsy hita teo amin’ny molony; niara-nandeha tamiko tamim-piadanana amam-pahitsiana izy; ary nampiala olona betsaka tamin’ny ratsy.


tsy mifaly noho ny tsy marina ataon’ny olona, fa mifaly noho ny fahamarinany;


Vao hitako kosa fa tsy nandeha mahitsy araka ny fahamarinan’ny Evanjely izy ireo, dia i Sefasy no nilazako teo anatrehan’ny olona rehetra teo hoe: «Koa ianao Jody aza re, manaraka ny fomban’ny Jentily, fa tsy ny an’ny Jody; ka ahoana no dia ahasahianao manery ny Jentily hanaraka ny fomban’ny Jody?»


Ary mandehana amin’ny fitiavana tahaka an’i Kristy, izay nanolo-tena tamin’Andriamanitra noho ny fitiavany antsika mba ho sorona amam-panatitra mani-pofona hamonjy antsika.


Taloha ianareo no maizina, fa ankehitriny efa mazava ao amin’ny Tompo, ka mandehana toy ny zanaky ny mazava.


Nahazo hafaliana lehibe ao amin’ny Tompo aho, fa indro hitako mamòny indray izao ny fitsinjovanareo ahy; tao aminareo mandrakariva izany, saingy ny zavatra hohararaotinareo no tsy mbola nisy.


Izay milaza fa mitoetra ao aminy izy, dia tsy maintsy mandeha toy ny nandehanany koa.