Hendry noho ny olon-drehetra izy; nihoarany i Etàna, i Ezrahita, i Hemàna, i Kakôla, i Dordà ireo zanak’i Mahôla, ary niely tamin’ny firenena rehetra manodidina ny lazany.
2Tantara 9:22 - Baiboly Katolika Ambony noho ny mpanjakan’ny tany rehetra i Salômôna amin’ny harena amam-pahendrena. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary i Solomona mpanjaka dia nanankarena sady hendry indrindra noho ny mpanjaka rehetra ambonin’ny tany. DIEM PROTESTANTA I Salômôna mpanjaka dia nihoatra noho ny mpanjaka hafa rehetra tambonin’ny tany tamin’ny harena sy ny fahendrena. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara I Salômôna mpanjaka dia nihoatra noho ny mpanjaka hafa rehetra tambonin’ny tany tamin’ny harena sy ny fahendrena. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Solomona mpanjaka dia nanan-karena sady hendry indrindra noho ny mpanjaka rehetra ambonin’ny tany. Malagasy Bible Ary Solomona mpanjaka dia nanan-karena sady hendry indrindra noho ny mpanjaka rehetra ambonin'ny tany. La Bible en Malgache Ary i Solomona mpanjaka dia nanankarena sady hendry indrindra noho ny mpanjaka rehetra ambonin’ny tany. |
Hendry noho ny olon-drehetra izy; nihoarany i Etàna, i Ezrahita, i Hemàna, i Kakôla, i Dordà ireo zanak’i Mahôla, ary niely tamin’ny firenena rehetra manodidina ny lazany.
Nomen’Andriamanitra fahendrena amam-pahiratan-tsaina lehibe, ary saina mahataka-javatra be toy ny fasika amoron-dranomasina i Salômôna,
koa omeko anao ny fahendrena amam-pahazavan-tsaina. Homeko anao ny vola aman-karena mbamin’ny voninahitra; ny mpanjaka talohanao tsy nisy nanana toy izany; ny any aoriana tsy hisy hanana toy izany.»
Ka samy nitady hahita an’i Salômôna avokoa ny mpanjaka rehetra teto an-tany, mba hihaino ny fahendrena nataon’Andriamanitra tao am-pony;
Ilay mpanjakavavy avy any atsimo hitsangana hanohitra ity taranaka ity amin’ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa niala avy tany amin’ny faravazantany izy ka nankatỳ hihaino ny fahendren’i Salômôna, nefa indro misy lehibe noho i Salômôna eto.»