Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 9:15 - Baiboly Katolika

Nanao ampinga volamena lehibe roan-jato tamin’ny volamena voatefy i Salômôna mpanjaka ka volamena enin-jato sikla avy no lany tamin’ny isan’ampinga;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nanao ampinga volamena lehibe roanjato tamin’ny volamena voafisaka i Solomona mpanjaka ka takelaka volamena milanja sekela eninjato no napetaka tamin’ny ampinga lehibe iray.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nampamboatra ampingabe roanjato tamina metaly miharo volamena i Salômôna mpanjaka; ka lanjam-bolamena enina kilao avy no nilaina isan’ampinga.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nampamboatra ampingabe roanjato tamina metaly miharo volamena i Salômôna mpanjaka; ka lanjam-bolamena enina kilao avy no nilaina isan’ampinga.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Solomona mpanjaka nanao ampinga volamena lehibe roan-jato tamin’ny volamena voafisaka, ka takela-bolamena sekely enin-jato no napetaka tamin’ny ampinga lehibe iray.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Solomona mpanjaka nanao ampinga volamena lehibe roan-jato tamin'ny volamena voafisaka, ka takela-bolamena sekely enin-jato no napetaka tamin'ny ampinga lehibe iray.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nanao ampinga volamena lehibe roanjato tamin’ny volamena voafisaka i Solomona mpanjaka ka takelaka volamena milanja sekela eninjato no napetaka tamin’ny ampinga lehibe iray.

Jereo ny toko



2Tantara 9:15
6 Rohy Ifampitohizana  

Nobaboiny ny rakitry ny tranon’i Iaveh sy ny rakitry ny tranon’ny mpanjaka, dia lasany daholo. Nalainy avokoa ny ampinga volamena rehetra nataon’i Salômôna.


afa-tsy izay nentin’ny mpivarotra amam-pandranto taminy; ny mpanjakan’i Arabia rehetra sy ny governoran’ny tany nitondra volamena amam-bolafotsy ho an’i Salômôna.


ary ampinga madinika telon-jato tamin’ny volamena voatefy, volamena telon-jato sikla avy no lany tamin’ny isan’ampinga, dia napetraky ny mpanjaka tao amin’ilay trano alan’i Libàna ireo.


Ho fonjany iray ihany amin’ny fanaovan-jiro ireo bokony sy rantsany ireo, ary ho fonjam-bolamena an-tefiny iray ihany avokoa izy manontolo, sady volamena madio.