Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 8:3 - Baiboly Katolika

Notafihin’i Salômôna, i Emata-Sobà, ka azony.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nankany Hamata-Zoba i Solomona ka naharesy azy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia nanafika an’i Hamata-Tsôbà i Salômôna ka naharesy azy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia nanafika an’i Hamata-Tsôbà i Salômôna ka naharesy azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Solomona nankany Hamata-zoba ka naharesy azy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Solomona nankany Hamata-zoba ka naharesy azy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nankany Hamata-Zoba i Solomona ka naharesy azy.

Jereo ny toko



2Tantara 8:3
9 Rohy Ifampitohizana  

Teny an-dalana, fony izy ndeha hampody ny fanjakany eo amoron’ny ony Eofrata, dia resin’i Davida koa i Hadadezera zana-dRohoba, mpanjakan’i Sobà.


Ny sisa tamin’ny asan’i Jerôbôama izay rehetra nataony, ny herim-po nasehony, ny niadiany sy nampodiany an’i Damasa sy i Etama izay an’i Jodà taloha, mba ho an’i Israely, moa tsy dia efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Israely va izany?


Aiza avy ny mpanjakan’i Emata, ny mpanjakan’i Arfada, ny mpanjakan’ny tanàna Serfavaima, i Anah ary i Avah?»


Resin’i Davida koa i Adarezera mpanjakan’i Sobà eny akaikin’i Hamata, tamin’izy teny an-dalana nandeha hampiorina ny fanjakany amin’ny ony Eofrata.


dia naoriny indray ireo tanàna nomen’i Hirama azy, ka zanak’i Israely no namponeniny tao.


Dia nanorina an’i Tadmora tany an’efitra izy, mbamin’ireo tanàna fitahirizana rehetra any amin’ny faritanin’i Etama.


Dia niakatra izy ireo, ka nisafo ny tany hatrany amin’ny efitra Sina, ka hatrany Rohoba, amin’ny lalan’i Hemata.


avy ao an-tendrombohitra Hôra, dia hofaritanareo mankao amin’ny vavahadin’i Hamata ka tonga hatrany Sedada io faritra io;