Fa izaho kosa ankehitriny, dia nomen’i Iaveh Andriamanitro fitsaharana amin’ny manodidina rehetra; fa tsy misy fahavalo na zava-manahirana intsony.
2Tantara 8:16 - Baiboly Katolika Toy izany no efa nahavoavoatra ny asa rehetra nataon’i Salômôna hatramin’ny andro nanorenana ny tranon’i Iaveh ka hatramin’ny nahavitany. Dia vita ny tranon’i Iaveh. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Toy izany no nanamboaran’i Solomona ny asa rehetra nataony hatramin’ny andro nanorenany ny tranon’NY TOMPO ka ambara-pahavitany. Dia vita tsara ny tranon’NY TOMPO. DIEM PROTESTANTA Toy izany no nahatontosana ny asa rehetra nokasain’i Salômôna, hatramin’ny andro nanorenana ny tranon’ny TOMPO ka ambaram-pahavitany; ka dia lavorary ny tranon’ny TOMPO. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Toy izany no nahatontosana ny asa rehetra nokasain’i Salômôna, hatramin’ny andro nanorenana ny tranon’ny TOMPO ka ambaram-pahavitany; ka dia lavorary ny tranon’ny TOMPO. Baiboly Protestanta Malagasy Toy izany no nanamboaran’i Solomona ny asa rehetra nataony hatramin’ny andro nanorenany ny tranon’i Jehovah ka ambara-pahavitany; ka dia vita tsara ny tranon’i Jehovah. Malagasy Bible Toy izany no nanamboaran'i Solomona ny asa rehetra nataony hatramin'ny andro nanorenany ny tranon'i Jehovah ka ambara-pahavitany; ka dia vita tsara ny tranon'i Jehovah. La Bible en Malgache Toy izany no nanamboaran’i Solomona ny asa rehetra nataony hatramin’ny andro nanorenany ny tranon’NY TOMPO ka ambara-pahavitany. Dia vita tsara ny tranon’NY TOMPO. |
Fa izaho kosa ankehitriny, dia nomen’i Iaveh Andriamanitro fitsaharana amin’ny manodidina rehetra; fa tsy misy fahavalo na zava-manahirana intsony.
ary tamin’ny taona faha-11, volana bola, izay volana fahavalo, vao vita izy amin’ny zavatra rehetra iforonany, araka ny mahamety azy. Tao anatin’ny fito taona no nanaovan’i Salômôna azy.
Raha natao ny trano, dia vato voavoatra hatrany amin’ny tany fihadiam-bato no nanaovana azy, ka tsy nisy feon-tantanana na famaky na fandraka na fiasana vy, na inona na inona, re tao an-trano tamin’ny nandrafetana azy.
Tsy nihatahana ny didin’ny mpanjaka momba ny mpisorona sy ny Levita, na amin’ny zavatra inona na amin’ny zavatra inona, indrindra fa ny amin’ny momba ny rakitra.
Tamin’izay i Salômôna dia nankany Asiôngabera sy Ailata eo amoron’ny ranomasina, any amin’ny tanin’i Edôma.