Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 5:4 - Baiboly Katolika

Nony tonga ny loholon’i Israely rehetra, dia nentin’ny taranak’i Levì ny fiara.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Tonga koa ny loholon’ny Israely rehetra ka ny levita no nitondra ny vata misy ny Fanekena,

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Rehefa tonga avokoa ny loholon’i Israely, dia noraisin’ny mpisorona-levita ny Vatamasina

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Rehefa tonga avokoa ny loholon’i Israely, dia noraisin’ny mpisorona-levita ny Vatamasina

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary tonga koa ny loholon’ny Isiraely rehetra, ka ny Levita no nitondra ny fiara,

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary tonga koa ny loholon'ny Isiraely rehetra, ka ny Levita no nitondra ny fiara,

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Tonga koa ny loholon’ny Israely rehetra ka ny levita* no nitondra ny vata misy ny Fanekena*,

Jereo ny toko



2Tantara 5:4
8 Rohy Ifampitohizana  

Nony tonga ny loholona rehetra amin’i Israely, dia nentin’ny mpisorona ny Fiara.


Hoy i Davida tamin’izay: «Tsy misy afa-tsy ny Levita ihany no hitondra ny Fiaran’Andriamanitra satria ireo no voafidin’i Iaveh hitondra ny fiaran’Andriamanitra sy hanao ny fanompoana momba azy mandrakizay.»


Nafindrany ny fiara mbamin’ny trano lay fihaonana ary ny fanaka masina rehetra tao amin’ny lay, ka ny mpisorona taranak’i Levì no nitondra azy.


Dia nentin’ny mpisorona ny fiaran’ny faneken’i Iaveh, ho ao amin’ny fitoerany, ao amin’ny fitoerana masin’ny trano, amin’ny fitoerana masina indrindra, teo ambanin’ny elatry ny kerobima.


Rehefa vitan’i Aarôna sy ny zanany ny fanaronana ny fitoerana masina mbamin’ny fanaka rehetra momba azy, ka hifindra lasy, dia ho avy ny taranak’i Kaata hitondra azy; tsy hikasika ny zavatra masina anefa izy ireo, fandrao maty. Izany zavatra momba ny trano lay fihaonana izany, no ho anjara entan’ny taranak’i Kaata.


Dia niteny tamin’ny mpisorona i Jôsoe ka nanao hoe: «Ento ny fiaran’ny fanekena ka mità eo alohan’ny vahoaka.» Dia nentin’izy ireo ny fiaran’ny fanekena, ka nandroso teo alohan’ny vahoaka izy.


Dia niantso ny mpisorona i Jôsoe, zanak’i Nona, ka nanao taminy hoe: «Ento ny fiaran’ny fanekena, ka aoka ny mpisorona fito hitondra trômpetra fito mafy faneno eo alohan’ny fiaran’i Iaveh.»