Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 5:1 - Baiboly Katolika

Toy izany no nahavitan’ny voa-javatra rehetra nataon’i Salômôna amin’ny tranon’i Iaveh. Dia nalain’i Salômôna ny zavatra rehetra natokan’i Davida rainy, sy ny volafotsy amam-bolamena mbamin’ny fanaka rehetra ka nataony tao amin’ny rakitry ny tranon’i Iaveh.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Toy izany no nahavitana ny asa rehetra nataon’i Solomona ho amin’ny tranon’NY TOMPO; ary nampidirin’i Solomona tao amin’ny tempoly ny zavatra rehetra izay efa nohamasinin’i Davida rainy, dia ny volafotsy sy ny volamena; ary ny fanaka rehetra dia nataony ho ao amin’ny efitrano fitahirizana ao amin’ny tranon’Andriamanitra.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Rehefa vita ny asa rehetra nataon’i Salômôna ho an’ny tranon’ny TOMPO, dia nasainy nentina ny zavatra efa natokan’i Davida rainy ho an’Andriamanitra, dia ny volafotsy sy volamena ary ny kojakoja isan-karazany, ka napetrany tao amin’ny efitrano fitahirizan-drakitry ny tranon’Andriamanitra.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Rehefa vita ny asa rehetra nataon’i Salômôna ho an’ny tranon’ny TOMPO, dia nasainy nentina ny zavatra efa natokan’i Davida rainy ho an’Andriamanitra, dia ny volafotsy sy volamena ary ny kojakoja isan-karazany, ka napetrany tao amin’ny efitrano fitahirizan-drakitry ny tranon’Andriamanitra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Toy izany no nahavitana ny asa rehetra nataon’i Solomona ho amin’ny tranon’i Jehovah; ary nampidirin’i Solomona ny zavatra rehetra izay efa nohamasinin’i Davida rainy, dia ny volafotsy sy ny volamena; ary ny fanaka rehetra dia nataony tao amin’ny rakitry ny tranon’ Andriamanitra.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Toy izany no nahavitana ny asa rehetra nataon'i Solomona ho amin'ny tranon'i Jehovah; ary nampidirin'i Solomona ny zavatra rehetra izay efa nohamasinin'i Davida rainy dia ny volafotsy sy ny volamena; ary ny fanaka rehetra dia nataony tao amin'ny rakitry ny tranon'Andriamanitra.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Toy izany no nahavitana ny asa rehetra nataon’i Solomona ho amin’ny tranon’NY TOMPO; ary nampidirin’i Solomona tao amin’ny tempoly ny zavatra rehetra izay efa nohamasinin’i Davida rainy, dia ny volafotsy sy ny volamena; ary ny fanaka rehetra dia nataony ho ao amin’ny efitrano fitahirizana ao amin’ny tranon’Andriamanitra.

Jereo ny toko



2Tantara 5:1
7 Rohy Ifampitohizana  

Natokan’i Davida mpanjaka ho an’i Iaveh koa izany, toraky ny nanokanany ny volafotsy sy volamena azony tamin’ny firenena rehetra nohitsahin’ny tongony,


Ka toy izao no nandaharany ny tongotra folo: ny dimy nataony teo amin’ny ilan’ny trano ankavanana, ny dimy kosa nataony teo amin’ny ilan’ny trano ankavia; ary ny ranomasina nataony teo amin’ny ilan’ny trano ankavanana, amin’ny atsinanana somary atsimo.


Toy izany no nahavitana ny voa-javatra rehetra nataon’i Salômôna mpanjaka, tamin’ny tranon’i Iaveh, dia nentin’i Salômôna izay rehetra nataon’i Davida rainy, ny volafotsy, ny volamena, sy ny fanaka rehetra, ka napetrany tao amin’ny rakitry ny tranon’i Iaveh.


Natokan’i Davida mpanjaka ho an’i Iaveh izany, mbamin’ny volafotsy amam-bolamena, nalainy tamin’ny firenena rehetra, dia i Edôma, i Moaba, ny taranak’i Amôna, ny Filistinina ary i Amaleka.


Indro fa izaho nananosarotra mafy ka nahavonona izao, ho an’ny tranon’i Iaveh: talenta volamena 100.000, talenta volafotsy 1.000.000, ny varahina amam-by kosa tsy hita lanja intsony, noho ny habetsahany loatra. Efa nahavonona hazo amam-bato koa aho, ary mbola hampianao.


ny antsy, ny kôpy, ny tasy, ny fanembohana, volamena madio, ny lela varavarana volamena, hanaovana ny varavarana ao anatin’ny trano, ao amin’ny fidirana ho ao amin’ny fitoerana masina indrindra, ary hanaovana ny varavaran’ny trano ao amin’ny fidirana ho ao amin’ny tempoly.