Vato voapaika telo andalana, sy sakamandimby sedera iray andalana no nataony kianja anatiny.
2Tantara 4:9 - Baiboly Katolika Nanao ny kianjan’ny mpisorona sy ny kianja lehibe mbamin’ny vavahady izy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nanamboatra ny kianjan’ny mpisorona sy ny kianja lehibe sy ny lelam-bavahadin’ny kianja izy ary nopetahany takelaka varahina ny lelam-bavahady. DIEM PROTESTANTA Ary nataony ny kianjan’ny mpisorona sy ilay kianja hafa lehibe kokoa miaraka amin’ny lelavavahady izay nopetahana takelaka halimo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary nataony ny kianjan’ny mpisorona sy ilay kianja hafa lehibe kokoa miaraka amin’ny lelavavahady izay nopetahana takelaka halimo. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nanao ny kianjan’ny mpisorona sy ny kianja lehibe sy ny lela-vavahadin’ny kianja izy, ary nopetahany takela-barahina ny lela-vavahady. Malagasy Bible Ary nanao ny kianjan'ny mpisorona sy ny kianja lehibe sy ny lela-vavahadin'ny kianja izy, ary nopotehany takela-barahina ny lela-vavahady. La Bible en Malgache Nanamboatra ny kianjan’ny mpisorona sy ny kianja lehibe sy ny lelam-bavahadin’ny kianja izy ary nopetahany takelaka varahina ny lelam-bavahady. |
Vato voapaika telo andalana, sy sakamandimby sedera iray andalana no nataony kianja anatiny.
Amin’ny manodidina ny tokotany lehibe, dia nisy vato voapaika telo andalana sy sakamandimby sedera iray andalana tahaka ny kianja eo anatin’ny tranon’i Iaveh, sy tahaka ny trano hevan’ny trano.
Otely ho an’ny tafiky ny lanitra rehetra no nataony tao anatin’ny kianja roa amin’ny tranon’i Iaveh.
Nanorina ôtely teo amin’ny kianja roa an-tranon’i Iaveh izy, ho an’ny tafiky ny lanitra rehetra.
«Manaova ny kianjan’ny Fonenana. Ny lafiny atsimo, ao ankavanana, ny kianja dia hasianao fefy lamba rongony madinika voahasina hatao zato hakiho ny halavan’ny lafiny.
Nony tapitra norefesiny ny tao anatin’ny trano, dia nentiny nivoaka aho ho ao amin’ny vavahady, izay mitodika miantsinanana ny anoloany, dia norefesiny ny manodidina io.