Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 4:2 - Baiboly Katolika

Nanao ranomasina anìdina izy: folo hakiho ny haben’ny vavany ary boribory izy manontolo; dimy hakiho ny haavony, ary kofehy telopolo hakiho no maharefy azy manodidina.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nanao ny koveta be boribory voarendrika izy: Folo hakiho no halehiben’ny vavany, dimy hakiho ny haavony, ary telopolo hakiho ny manodidina azy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia nanao ilay fitobian-drano goavana boribory i Horama; halimo voaempo no nanefeny azy, ka nirefy dimy metatra ny savaivony, roa metatra sy sasany ny haavony, ary 15 metatra ny morony manodidina azy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia nanao ilay fitobian-drano goavana boribory i Horama; halimo voaempo no nanefeny azy, ka nirefy dimy metatra ny savaivony, roa metatra sy sasany ny haavony, ary 15 metatra ny morony manodidina azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nanao ny tavin-drano an-idina boribory lehibe izy: folo hakiho no halehiben’ny vavany, dimy hakiho ny hahavony, ary telo-polo hakiho ny manodidina azy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nanao ny tavin-drano an-idina boribory lehibe izy: folo hakiho no halehiben'ny vavany, dimy hakiho ny hahavony, ary telo-polo hakiho ny manodidina azy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nanao ny koveta be boribory voarendrika izy: Folo hakiho* no halehiben’ny vavany, dimy hakiho ny haavony, ary telopolo hakiho ny manodidina azy.

Jereo ny toko



2Tantara 4:2
10 Rohy Ifampitohizana  

Nopotehin’ny Kaldeanina ny andry varahina izay tao an-tranon’i Iaveh, mbamin’ny fanambanim-pitoeran-drano ary ny ranomasina varahina izay tao an-tranon’i Iaveh, ka nentiny ho any Babilôna ny varahina.


Varahina be dia be koa no nalain’i Davida tao Tebata sy i Kona tanànan’i Adarezera, ary izany no nanaovan’i Salômôna ilay ranomasina varahina sy ny andry amam-panaka varahina.


Nisy sarin’omby folo isaky ny iray hakiho manodidina azy, teo ambanin’ny molony, voalahatra roa an-dalana izy ka nahodidina ity ranomasina hatrany. Ireo omby ireo, dia indray natao anìdina tamin’ity ranomasina.


Nataony avokoa ny fanaka momba ny ôtely: ny tavin-davenona, ny lapela, ny tavy, ny fitrebika ary ny fatana; varahina no nanaovany an’ireo fanaka rehetra ireo.


Nanao ny tavy varahina sy ny faladiany varahina izy tamin’ny fitaratr’ireo vehivavy mpivory eo amin’ny fidiran’ny trano lay fihaonana.


Amin’izany andro izany, hisy loharano hisokatra, ho an’ny taranak’i Davida sy ny mponina ao Jerosalema, hanasa ny fahotana amam-pahalotoana.


dia tsy noho ny asan’ny fahamarinana nataontsika, fa noho ny famindram-pony; Izy no namonjy antsika tamin’ny fanasana nahaterahantsika indray sy ny fanavaozan’ny Fanahy Masina,


Dia hoy ny navaliko azy: «Ianao no mahalala, Tompoko.» Ary hoy izy tamiko: «Ireo no avy tamin’ny fampijaliana lehibe, nanasa sy namotsy ny akanjony tamin’ny Ran’ny Zanak’ondry.