Niteny ianao, - teny tsy misy fotony, - nanao hoe: Manan-tsaina aman-kery hoenti-miady aho! Fa ankehitriny kosa dia matoky an’iza ianao no dia miodina amiko?
2Tantara 32:3 - Baiboly Katolika dia niara-nidinika tamin’ny lehibe sy ny lehilahy maheriny izy, hanarona ny rano amin’ny loharano any ivelan’ny tanàna ka nanampy azy izy ireo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 dia niara-nihevitra tamin’ny mpanapaka sy ny lehilahy mahery izy mba hanampina ny rano tamin’ny loharano eny ivelan’ny tanàna; ary nanampy azy ry zareo. DIEM PROTESTANTA dia niara-nidinika tamin’ny manampahefana sy ny mpitari-tafika izy ny amin’ny tokony hanampenana ny loharano rehetra any ivelan’ny tanàna; ka niandanian’ireo ny mpanjaka. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara dia niara-nidinika tamin’ny manampahefana sy ny mpitari-tafika izy ny amin’ny tokony hanampenana ny loharano rehetra any ivelan’ny tanàna; ka niandanian’ireo ny mpanjaka. Baiboly Protestanta Malagasy dia niara-nihevitra tamin’ny mpanapaka sy ny lehilahy mahery izy mba hanampina ny rano tamin’ny loharano eny ivelan’ny tanàna; ary nanampy azy ireo. Malagasy Bible dia niara-nihevitra tamin'ny mpanapaka sy ny lehilahy mahery izy mba hanampina ny rano tamin'ny loharano eny ivelan'ny tanàna; ary nanampy azy ireo. La Bible en Malgache dia niara-nihevitra tamin’ny mpanapaka sy ny lehilahy mahery izy mba hanampina ny rano tamin’ny loharano eny ivelan’ny tanàna; ary nanampy azy ry zareo. |
Niteny ianao, - teny tsy misy fotony, - nanao hoe: Manan-tsaina aman-kery hoenti-miady aho! Fa ankehitriny kosa dia matoky an’iza ianao no dia miodina amiko?
Ny sisa tamin’ny asan’i Ezekiasa, ny herim-po nasehony, ny nanaovany ny kamory aman-dakan-drano mbamin’ny nitarihany rano ho ao an-tanàna, dia efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Jodà.
Nanao fivoriana fakan-kevitra ny amin’ny hankalazana ny Paka amin’ny volana faharoa ny mpanjaka sy ny lehibe mbamin’ny fiangonana rehetra tao Jerosalema;
I Ezekiasa io ihany koa, no nanarona ny fivoahan’ny rano any ambony tamin’ny ranon’i Gihôna, ka nampandeha azy hidina mankany andrefan’ny tanànan’i Davida. Nahomby i Ezekiasa tamin’izay rehetra nataony.
Dia vahoaka be no nivory sy nanarona ny loharano rehetra mbamin’ilay renirano mamaky eo afovoan’ny tany, nanao hoe: «Ahoana no hahitan’ireo mpanjakan’i Asiria tonga atỳ ireo, rano betsaka?»
Foana ny fikasana raha tsy misy ny fisainana; fa tanteraka kosa izy, raha maro no manolo-tsaina.
Ny filan-kevitra mampiorina ny hevitra kasaina; ka fahiratan-tsaina no itariho ny ady.
Fa ny fahamalinana no itarihanao ny ady, ary ny mpanolo-tsaina maro no isian’ny famonjena.
Iza no nitari-dalana ny Fanahin’i Iaveh, ary iza no nanolo-tsaina nampianatra Azy? Iza no nidinihany mba hanoro hevitra Azy
Mantsakà rano ho anao ho fitaovana amin’ny fahirano; hamafiso ny manda, manditia tanimanga, mihose tanidilatra, raiso ny lasitra hanaovana biriky.