Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 31:3 - Baiboly Katolika

Izy ihany no nanome, avy amin’ny fananany, izay anjaran’ny mpanjaka, amin’ny sorona dorana, dia ny sorona dorana marain-tsy hariva, sy ny sorona dorana amin’ny sabata, ny voalohan’ny volana, ny fety, araka ny voasoratra ao amin’ny lalàn’i Iaveh.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Izay hatao fanatitra dorana manontolo rehetra dia nomen’ny mpanjaka avy tamin’ny fananany, dia ny fanatitra dorana manontolo maraina sy hariva sy ny fanatitra dorana manontolo atao amin’ny Sabata sy amin’ny voaloham-bolana sy amin’ny fotoam-pivavahana, araka ny voasoratra ao amin’ny lalànan’NY TOMPO.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ny zavatra hatao sorona dorana manontolo dia nomen’ny mpanjaka avy tamin’ny fananany, na ny fanolotra marain-tsy hariva izany na ny fanolotra isan-tsabata sy amin’ny voaloham-bolana ary amin’ny fankalazana hafa, araka ny voasoratra ao amin’ny lalànan’ny TOMPO.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ny zavatra hatao sorona dorana manontolo dia nomen’ny mpanjaka avy tamin’ny fananany, na ny fanolotra marain-tsy hariva izany na ny fanolotra isan-tsabata sy amin’ny voaloham-bolana ary amin’ny fankalazana hafa, araka ny voasoratra ao amin’ny lalànan’ny TOMPO.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny hatao fanatitra dorana rehetra dia nomen’ny mpanjaka avy tamin’ny fananany, dia ny fanatitra dorana maraina sy hariva sy ny fanatitra dorana atao amin’ny Sabata sy amin’ny voaloham-bolana sy amin’ny fotoam-pivavahana, araka ny voasoratra ao amin’ny lalàn’i Jehovah.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny hatao fanatitra dorana rehetra dia nomen'ny mpanjaka avy tamin'ny fananany, dia ny fanatitra dorana maraina sy hariva sy ny fanatitra dorana atao amin'ny Sabata sy amin'ny voaloham-bolana sy amin'ny fotoam-pivavahana, araka ny voasoratra ao amin'ny lalan'i Jehovah.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Izay hatao fanatitra dorana manontolo rehetra dia nomen’ny mpanjaka avy tamin’ny fananany, dia ny fanatitra dorana manontolo maraina sy hariva sy ny fanatitra dorana manontolo atao amin’ny Sabata sy amin’ny voaloham-bolana sy amin’ny fotoam-pivavahana, araka ny voasoratra ao amin’ny lalànan’NY TOMPO.

Jereo ny toko



2Tantara 31:3
13 Rohy Ifampitohizana  

dia i Selemita mbamin’ireo rahalahiny no tonian’ny rakitr’ireo zavatra masina rehetra, izay natokan’i Davida mpanjaka sy ny loham-pianakaviana, mbamin’ny tomponarivo sy tompon-jato, ary ny filohan’ny tafika.


fa ny fiangonana dia nomen’i Ezekiasa mpanjakan’i Jodà, ombalahy 1.000 sy ondry 7.000, ary ny lehibe koa efa nanome azy ombalahy 1.000 sy ondry 10.000, ary maro ny mpisorona no nanamasina ny tenany.


Nanao fanomezana tamin’ny ankapobem-bahoaka rehetra i Josiasa, dia biby fiompy madinika, zanak’ondry aman-janak’osy, 30.000 no isany, ho an’izay rehetra tonga teo hanaovany ny Paka; ary omby 3.000; avy tamin’ny fananan’ny mpanjaka avokoa izany rehetra izany.


Fa ny mpanapaka kosa no hiantoka ny sorona dorana, ny fanatitra, ary ny fanatitra araraka, amin’ny fety sy ny voaloham-bolana aman-tsabata, amin’ny fety lehibe rehetra ankalazain’ny taranak’i Israely; izy no hamonona ny ilaina hatao sorona noho ny ota, na fanatitra, na sorona dorana, na sorona fisaorana, hanaovana fifonana ho an’ny taranak’i Israely.


Niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:


Amin’ny andro fahenina, manatera vantotr’ombalahy valo, ondralahy roa, zanak’ondry 14, efa iray taona, tsy misy kilema,