Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 3:5 - Baiboly Katolika

Ny trano lehibe nopetahany hazo sipresa, dia nopetahany volamena madio, nasainy nasiana sarin-drofia aman-tongàlika nosokirina.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ny efitrano lehibe dia nopetahany hazo kipreso, izay vao nopetahany takelaka volamena tsara ireo ary noravahany hazo palma sy rojo.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ny efitrano malalaka kosa dia norakofana hazo kipreso, izay nopetahana takela-bolamena madio sady voaisy ravaka miendrika sampan-drofia sy tongàlika.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ny efitrano malalaka kosa dia norakofana hazo kipreso, izay nopetahana takela-bolamena madio sady voaisy ravaka miendrika sampan-drofia sy tongàlika.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny ati-trano lehibe nopetahany hazo kypreso, dia vao nopetahany takela-bolamena tsara ireo ary noravahany hazo rofia sy tongalika.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny ati-trano lehibe nopetahany hazo kypreso, dia vao nopetahany takela-bolamena tsara ireo ary noravahany hazo rofia sy tongalika.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ny efitrano lehibe dia nopetahany hazo kipreso, izay vao nopetahany takelaka volamena tsara ireo ary noravahany hazo palma sy rojo.

Jereo ny toko



2Tantara 3:5
6 Rohy Ifampitohizana  

Nopetahany vato soa ny trano handravahana azy, ary ny volamena dia avy any Parvaima.


Sedera ny sakamandimbin-tranontsika; sipresy ny peta-drindrintsika.


Nisy varavarankely makarakara, tamin’ny efitra sy tamin’ny andry, amin’ny lafiny manodidina ao anatin’ny vavahady; toy izany koa tamin’ny efitra fidirana; ka dia varavarankely manodidina ny tao anatiny, ary nisy rofia avokoa ny andry.


sy kerobima ary rofia avokoa; rofia iray no teo anelanelan’ny kerobima roa, ary ny kerobima iray nanan-tava roa: