Baiboly an-tserasera

dokam-barotra

Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao

2Tantara 3:11 - Baiboly Katolika

Roapolo hakiho no halavan’ny elatr’ireo kerobima ireo. Ny elatra anankiray amin’ny voalohany, dimy hakiho no halavany, dia mipaka amin’ny rindrin-trano, ary ny elany anankiray, dimy hakiho, dia mifanendry amin’ny elatry ny kerobima iray;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ny halavan’ny elatry ny kerobima dia roapolo hakiho: Ny elatry ny iray dia dimy hakiho, mipaka amin’ny rindrina; ary ny elany iray koa dia dimy hakiho sady mifanendry amin’ny elatry ny kerobima iray;

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nijoro tamin’ny tongony ireo kerobima ireo, ary ny tarehiny nitodika tany amin’ny fidirana. Samy nanana elatra roa avy ireto kerobima ireto; ka ny anankiray samy nipaka tamin’ny rindrina, ary ny anankiray nifanendry teo afovoany. Roa metatra sy sasany ny fivelaran’ny elatra ka ny halavan’ny elatra mivelatra rehetra mitambatra dia folo metatra.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Baiboly Protestanta Malagasy

Ny halavan’ny elatry ny kerobima dia roa-polo hakiho: ny elatry ny anankiray dia dimy hakiho, mipaka amin’ny rindrina; ary ny elany iray koa dimy hakiho sady mifanendry amin’ny elatry ny kerobima anankiray;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ny halavan'ny elatry ny kerobima dia roa-polo hakiho: ny elatry ny anankiray dia dimy hakiho, mipaka amin'ny rindrina; ary ny elany iray koa dimy hakiho sady mifanendry amin'ny elatry ny kerobima anankiray;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ny halavan’ny elatry ny kerobima dia roapolo hakiho: Ny elatry ny iray dia dimy hakiho, mipaka amin’ny rindrina; ary ny elany iray koa dia dimy hakiho sady mifanendry amin’ny elatry ny kerobima iray;

Jereo ny toko

2Tantara 3:11
4 Rohy Ifampitohizana  

Mivelatra elatra no nametrahan’i Salômôna ireo kerobima ireo, tao afovoan’ny trano anatiny, ka ny elatry ny anankiray nipaka tamin’ny rindrina iray, ary ny elatry ny kerobima iray nipaka tamin’ny rindrina hafa, ny ila elany sisa kosa nifanendry sahabo ho eo afovoan’ny trano,

Nanao kerobima roa, taozavatra voasikotra, tao amin’ny efitrano masina indrindra, ary nopetahany volamena ireo.

ny elatra anankiray amin’ny kerobima faharoa dimy hakiho, dia mipaka amin’ny rindrin-trano, ary ny elany anankiray, dimy hakiho, mifanendry amin’ny elatry ny kerobima anankiray.

Nifanendry ny elany; tsy nihodina izy raha nandeha, fa samy nizotra tamin’izay hitsiny avy.