Roapolo hakiho no halavan’ny elatr’ireo kerobima ireo. Ny elatra anankiray amin’ny voalohany, dimy hakiho no halavany, dia mipaka amin’ny rindrin-trano, ary ny elany anankiray, dimy hakiho, dia mifanendry amin’ny elatry ny kerobima iray;
2Tantara 3:10 - Baiboly Katolika Nanao kerobima roa, taozavatra voasikotra, tao amin’ny efitrano masina indrindra, ary nopetahany volamena ireo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nosokirany sarin’ny kerobima roa tao amin’ny efitrano masina indrindra, avy eo dia nopetahany takelaka volamena. DIEM PROTESTANTA Tao amin’ny Toeramasina Indrindra dia namboarana sarivongana kerobima anankiroa, ka metaly narendrika sady nopetahana takela-bolamena no nanaovana azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tao amin’ny Toeramasina Indrindra dia namboarana sarivongana kerobima anankiroa, ka metaly narendrika sady nopetahana takela-bolamena no nanaovana azy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary tao amin’ny efi-trano masina indrindra dia nasiany sarin’ny kerobima roa, ary nosokiriny no nanaovany azy, dia nopetahany takela-bolamena. Malagasy Bible Ary tao amin'ny efi-trano masina indrindra dia nasiany sarin'ny kerobima roa, ary nosokiriny no nanaovany azy, dia nopetahany takela-bolamena. La Bible en Malgache Nosokirany sarin’ny kerobima* roa tao amin’ny efitrano masina indrindra, avy eo dia nopetahany takelaka volamena. |
Roapolo hakiho no halavan’ny elatr’ireo kerobima ireo. Ny elatra anankiray amin’ny voalohany, dimy hakiho no halavany, dia mipaka amin’ny rindrin-trano, ary ny elany anankiray, dimy hakiho, dia mifanendry amin’ny elatry ny kerobima iray;
Ary hanao kerobima volamena roa ianao hataonao an-tefiny, dia iray avy no ho eo an-daniny roa amin’ny fanaovam-panavotana;
Hatao mivelatra miaraka ny elatry ny kerobima, hanarona ny fanaovam-panavotana amin’ny elany, ary hifanatrika ny tavany, hitodika manatrika ny fanaovam-panavotana, ny tavan’ny kerobima.