Ary nataon’i Abrahama hoe Iaveh-Iereh ny anaran’io fitoerana io. Ary avy amin’izany ilay fitenenan’ny olona mandraka androany hoe: Ho hita ihany izany any an-tendrombohitr’i Iaveh.
2Tantara 3:1 - Baiboly Katolika Dia natombok’i Salômôna ny fanaovana ny tranon’i Iaveh tao Jerosalema, amin’ny tendrombohitra Moria, izay efa natoro an’i Davida rainy, dia amin’ny toerana efa voaoman’i Davida teo amin’ny famoloan’i Ornàna, Jebôseanina. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nanomboka nanorina ny tranon’NY TOMPO tany Jerosalema, tao an-tendrombohitra Moria, ilay nisehoan’NY TOMPO tamin’i Davida rainy, i Solomona, dia ilay namboarina teo amin’ny toerana nofidin’i Davida teo amin’ny famoloan’i Araona jebosita. DIEM PROTESTANTA Dia nanomboka nanao ny tranon’ny TOMPO tao Jerosalema i Salômôna ka teo amin’ny tendrombohitra Môrià, izay nisehoan’ny Tompo tamin’i Davida rainy no nanorenany azy, dia ilay toerana nomanin’i Davida tao amin’ny famoloan’i Ôrnàna izay lehilahy jebosita. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nanomboka nanao ny tranon’ny TOMPO tao Jerosalema i Salômôna ka teo amin’ny tendrombohitra Môrià, izay nisehoan’ny Tompo tamin’i Davida rainy no nanorenany azy, dia ilay toerana nomanin’i Davida tao amin’ny famoloan’i Ôrnàna izay lehilahy jebosita. Baiboly Protestanta Malagasy ARY Solomona nanomboka nanao ny tranon’i Jehovah tany Jerosalema, tao an-tendrombohitra Moria, ilay nisehoan’i Jehovah tamin’i Davida rainy, dia ilay namboarina teo amin’ny fitoerana nofidin’i Davida teo amin’ny famoloan’i Araona Jebosita. Malagasy Bible Ary Solomona nanomboka nanao ny tranon'i Jehovah tany Jerosalema, tao an-tendrombohitra Moria, ilay nisehoan'i Jehovah tamin'i Davida rainy, dia ilay namboarina teo amin'ny fitoerana nofidin'i Davida teo amin'ny famoloan'i Araona Jebosita. La Bible en Malgache Nanomboka nanorina ny tranon’NY TOMPO tany Jerosalema, tao an-tendrombohitra Moria, ilay nisehoan’NY TOMPO tamin’i Davida rainy, i Solomona, dia ilay namboarina teo amin’ny toerana nofidin’i Davida teo amin’ny famoloan’i Araona jebosita. |
Ary nataon’i Abrahama hoe Iaveh-Iereh ny anaran’io fitoerana io. Ary avy amin’izany ilay fitenenan’ny olona mandraka androany hoe: Ho hita ihany izany any an-tendrombohitr’i Iaveh.
Dia hoy Andriamanitra: «Ento ny zanakao, ilay lahy tokanao, ilay tianao, dia i Isaaka, ka mankanesa any amin’ny tany Moria, ary rehefa mby any, atero izy ho sorona dorana eo ambonin’ny anankiray amin’ny tendrombohitra hatoroko anao.»
Mbola naninjitra ny tanany tamin’i Jerosalema ihany ilay Anjely, handringana azy. Fa nanenenan’i Iaveh ny amin’izany loza izany, ka hoy Izy tamin’ilay Anjely namono ny vahoaka: «Aoka izay, fa avonkony amin’izao ny tananao.» Teo akaikin’ny famoloan’i Areonà, Jeboseanina, no nitoeran’ilay Anjelin’i Iaveh tamin’izay.
Dia nasain’ilay Anjelin’i Iaveh nilazan’i Gada i Davida hiakatra hanangana ôtely ho an’i Iaveh, ao am-pamoloan’i Ornàna Jeboseanina.
Ary hoy i Davida: «Eto no ho tranon’i Iaveh Andriamanitra, eto no ho ôtely fanaovan’i Israely sorona dorana.»
Tamin’ny andro faharoan’ny volana faharoa, taona fahefatra nanjakany, no nanombohany hanao izany.