Ka ny miaramila nofehezin’ireo, dia 307.500, izay nahay niady tamin’ny hery lehibe tokoa, hanohana ny mpanjaka tsy ho voan’ny fahavalony.
2Tantara 26:14 - Baiboly Katolika Izany miaramila rehetra izany, dia samy nahavononan’i Oziasa ampinga, lefona, satroka fiarovan-doha, akanjo fiarovan-tratra, ary antsamotady fandefasam-bato. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary i Ozia dia nanamboatra ampinga, lefona, fiarovan-doha, akanjo fiarovan-tratra, tsipìka ary vaton’antsamotady ho an’ireo miaramila rehetra ireo. DIEM PROTESTANTA Isaky ny hiantafika ireo, dia efa nanomanan’i Hozià ampinga sy lefona, satro-by fiarovan-doha sy akanjo vy fiarovan-tratra, ary tsipîka sy vaton’antsamotady. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Isaky ny hiantafika ireo, dia efa nanomanan’i Hozià ampinga sy lefona, satro-by fiarovan-doha sy akanjo vy fiarovan-tratra, ary tsipîka sy vaton’antsamotady. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Ozia namboatra ampinga sy lefona sy fiarovan-doha sy akanjo fiarovan-tratra sy tsipìka ary vaton’antsamotady ho an’ireo miaramila rehetra ireo. Malagasy Bible Ary Ozia namboatra ampinga sy lefona sy fiarovan-doha sy akanjo fiarovan-tratra sy tsipìka ary vaton'antsamotady ho an'ireo miaramila rehetra ireo. La Bible en Malgache Ary i Ozia dia nanamboatra ampinga, lefona, fiarovan-doha, akanjo fiarovan-tratra, tsipìka ary vaton’antsamotady ho an’ireo miaramila rehetra ireo. |
Ka ny miaramila nofehezin’ireo, dia 307.500, izay nahay niady tamin’ny hery lehibe tokoa, hanohana ny mpanjaka tsy ho voan’ny fahavalony.
Nampanao milina tao Jerosalema koa izy, noforonin’ny tompo-marika anankiray, hapetraka any amin’ny tilikambo sy ny zoro-manda, handefasana zana-tsipìka amam-bato lehibe. Lasa lavitra ny lazany, fa nampiana fatratra izy, ka tonga nahery tokoa.
Asio vozony, eo afovoany, hidiran’ny loha, ary hisy sisiny manodidina io vozony io ka ho voatenona toy ny fanao amin’ny vozon’akanjo fiarovan-tratra, mba tsy ho rovitra ny akanjo lava.
Ataovy amin’ny kalesy ny soavaly; Miakara ambony soavaly ianareo mpitaingina azy! Ianareo misatroka fiarovan-doha, milahara! Fotsio ny lefona, iakanjoy ny fiarovan-tratra.
Nisy fiton-jato lahy voafantina tamin’ireo vahoaka rehetra ireo tsy mampiasa ny tanany havanana: ireo mpiady ireo samy mahay mitoraka singam-bolo amin’ny vaton’antsamotady, ka mahavoa azy.
ka natsofok’i Davida tao anatin’ny kotrany ny tanany, notsoahany avy tao ny vato iray, ary nalefany tamin’ny antsamotady. Nahavoa ilay Filistinina tamin’ny handriny izy, sady niletra tamin’ny handriny ny vato, ka lavo niankohoka tamin’ny tany izy.