Ary hoy ny mpanjakan’i Israely tamin’ny mpanompony; «Fantatrareo va fa antsika i Ramôta any Galaada, no tsy manao na inona na inona isika mba hanatsoaka azy eo an-tanan’ny mpanjakan’i Siria?»
2Tantara 22:5 - Baiboly Katolika Noho ny torohevitra nomeny azy koa no nandehanany niaraka tamin’i Jôrama zanak’i Akaba mpanjakan’i Israely, hiady amin’i Hazaela mpanjakan’i Siria, tany Ramôta-Galaada. Nandratra an’i Jôrama ny Sirianina. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny saina nomen’ireo azy no narahiny ka niara-nandeha tamin’i Jorama, zanak’i Ahaba, mpanjakan’ny Israely, izy, hiady tamin’i Hazaela, mpanjakan’i Arama, tao Ramota-Gileada; ary nahavoa an’i Jorama ny Arameana. DIEM PROTESTANTA Ny torohevitra nomen’ireo azy tokoa no narahin’i Ahazià, ka dia niainga niaraka tamin’i Jôrama zanakalahin’i Ahaba sady mpanjakan’i Israely avaratra izy mba hiady amin’i Hazaela mpanjakan’i Siria, tao Ramôta-Gilehada. Tamin’izay ny Sirianina dia nandratra an’i Jôrama; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny torohevitra nomen’ireo azy tokoa no narahin’i Ahazià, ka dia niainga niaraka tamin’i Jôrama zanakalahin’i Ahaba sady mpanjakan’i Israely avaratra izy mba hiady amin’i Hazaela mpanjakan’i Siria, tao Ramôta-Gilehada. Tamin’izay ny Sirianina dia nandratra an’i Jôrama; Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny saina nomen’ireo azy no narahiny, ka niara-nandeha tamin’i Jorama, zanak’i Ahaba, mpanjakan’ny Isiraely, izy hiady tamin’i Hazaela, mpanjakan’i Syria, tao Ramota-gileada; ary ny Syriana nahavoa an’i Jorama. Malagasy Bible Ary ny saina nomen'ireo azy no narahiny, ka niara-nandeha tamin'i Jorama, zanak'i Ahaba, mpanjakan'ny Isiraely, izy hiady tamin'i Hazaela, mpanjakan'i Syria, teo Ramota-gileada; ary ny Syriana nahavoa an'i Jorama. La Bible en Malgache Ny saina nomen’ireo azy no narahiny ka niara-nandeha tamin’i Jorama, zanak’i Ahaba, mpanjakan’ny Israely, izy, hiady tamin’i Hazaela, mpanjakan’i Arama, tao Ramota-Gileada; ary nahavoa an’i Jorama ny Arameana. |
Ary hoy ny mpanjakan’i Israely tamin’ny mpanompony; «Fantatrareo va fa antsika i Ramôta any Galaada, no tsy manao na inona na inona isika mba hanatsoaka azy eo an-tanan’ny mpanjakan’i Siria?»
Ben-Gabera tao Ramôtan’i Galaada; izao no azy: Ny tanàna madinik’i Jaira, zanak’i Manase, any Galaada; ny tany Argoba, any Basàna, misy tanàna lehibe 60, mimanda sy misy hidy varahina;
Tamin’ny taona fahavalo ambin’ny folon’i Jôsafata mpanjakan’i Jodà, no tonga mpanjakan’i Israely tao Samaria i Jôrama zanak’i Akaba, ary roa ambin’ny folo taona no nanjakany.
Nandeha nitsena azy i Hazaela ary nentiny niaraka taminy hatao fanatitra ho azy izay zava-tsoa indrindra tao Damasa, dia entan-drameva efapolo. Nony tonga izy, dia niseho teo anatrehany, nanao hoe: «Irahin’i Benhadada mpanjakan’i Siria zanakao aho, hiteny hoe: Ho velona aorian’ity aretina ity va aho?»
Ary niantso ny anankiray amin’ny zanaky ny mpaminany i Elisea mpaminany, ka nanao hoe: «Misikìna ianao; raiso eo an-tananao ity tavoara misy diloilo ity, ka mankanesa any Ramôta any Galaada.
Izao no nolazain’i Akaba mpanjakan’i Israely, tamin’i Jôsafata, mpanjakan’i Jodà: «Mba hiaraka amiko ho any Ramôta any Galaada va ianao?» Ka hoy ny navalin’i Jôsafata taminy: «Hihatra amiko ny hihatra aminao, ary hanjò ny vahoakako ny hanjò ny vahoakanao, ka hiaraka aminao hanafika azy izahay.»
Nony nahita an’i Jôsafata ny komandin’ny an-kalesy, dia nanao hoe: «Inty tokoa ny mpanjakan’i Israely, sady nohodidininy hasiana izy.» Niantso mafy i Jôsafata dia novonjen’i Iaveh, ka nampanalavirin’Andriamanitra azy ny Sirianina.
dia nitsena azy i Jehò, mpahita, zanak’i Hananì, ka hoy izy tamin’i Jôsafata mpanjaka: «Tokony hampiana va ny ratsy fanahy? Ary ny mankahala an’i Iaveh va no tianao? Noho izany dia ao aminao ny fahatezerana avy amin’i Iaveh.
Dia niverina tao Jezrahela i Jôrama hotsaboina amin’ny ratra nahavoazan’ny Sirianina azy tao Ramà, fony izy niady tamin’i Hazaela mpanjakan’i Siria. Ary i Azariasa zanak’i Jôrama mpanjakan’i Jodà, nidina tany Jezrahela hamangy an’i Jôrama zanak’i Akaba fa narary izy.
Sambatra ny olona tsy mandeha amin’ny fisainan’ny tsy mpivavaka, tsy mijanona amin’ny lalan’ny mpanota, ary tsy mipetraka amin’ny mpaniratsira;
Mitandrina ny fitsipik’i Amrì ny olona, mbamin’ny fanaon’ny taranak’i Akaba rehetra, ary mandeha araka ny toroheviny ianareo, mba hanolorako anareo amin’ny fandringanana, ary ny mponina amin’ny tany, ho amin’ny fisitrisìrana, ka hivesaranareo ny latsan’ny vahoakako.