2Tantara 20:2 - Baiboly Katolika Ka nisy tonga nilaza tamin’i Jôsafata hoe: «Misy vahoaka be tamy hiady aminao, avy any an-dafin’ny ranomasina izy ireo, avy any Siria, ary efa mby ao Asasôna-Tamara, izany hoe Engadi izy izao.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nisy tonga ka nanambara tamin’i Josafata hoe: Indreo, misy olona betsaka avy any andafin’ny ranomasina, dia avy any Arama, ho avy hiady aminao; indreo, ao Hazezona-Tamara, na Eny-Gedỳ izy. DIEM PROTESTANTA Ary nisy olona tonga nanambara tamin’i Jôsafata hoe: –Indreo misy tafika goavana avy any atsinanan’ny Ranomasina Maty sy avy any amin’ny faritr’i Edôma ho tonga hiady aminao; ary indreo izy ao Hatsetsôna-Tamara, izany hoe Haîna-Gedỳ. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary nisy olona tonga nanambara tamin’i Jôsafata hoe: –Indreo misy tafika goavana avy any atsinanan’ny Ranomasina Maty sy avy any amin’ny faritr’i Edôma ho tonga hiady aminao; ary indreo izy ao Hatsetsôna-Tamara, izany hoe Haîna-Gedỳ. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nisy tonga ka nanambara tamin’i Josafata hoe: Indreo, misy olona betsaka avy any an-dafin’ny ranomasina, dia avy any Syria, ho avy hiady aminao; ary indreo izy ao Hazezon-tamara (En-jedy izany). Malagasy Bible Ary nisy tonga ka nanambara tamin'i Josafata hoe: Indreo, misy olona betsaka avy any an-dafin'ny ranomasina, dia avy any Syria, ho avy hiady aminao; ary indreo izy ao Hazezon-tamara (Enjedy izany). La Bible en Malgache Ary nisy tonga ka nanambara tamin’i Josafata hoe: Indreo, misy olona betsaka avy any andafin’ny ranomasina, dia avy any Arama, ho avy hiady aminao; indreo, ao Hazezona-Tamara, na Eny-Gedỳ izy. |
Raha izany dia lasa nody izy ireo, ka tonga teo am-pantsakan’i Fitsarana, dia i Kadesa izany, ka namely ny tanin’ny Amalesita rehetra mbamin’ny Amôreana izay nonina tany Asasôn-Tamara.
Hitsangana eo amoron’izany ranomasina izany ny mpaka hazandrano; hovelarana harato ny hatrany Engadi, ka hatrany Engalima; hisy hazandrano isan-karazany maro dia maro toy ny any amin’ny ranomasina lehibe.
Ny lafiny atsimo handroso mianatsimo hatrany Tamara ka hatrany amin’ny ranon’i Meribà any Kadesa, dia ny lohasahan-driaka mivarina mankany amin’ny ranomasina lehibe. Izany no lafiny atsimo mankany amin’ny Negeba.
Ny sisin-tany, amin’ny lafin’ny Negeba manolotra ny sisin-tanin’i Gada, dia hatrany Tamara no mankany amin’ny ranon’i Meribà any Kadesa, sy ny lohasahan-driaka mivarina amin’ny ranomasina lehibe, no ho faritry ny tany.
ary midina ny faritra manaraka ny moron’i Jordany ka tafapaka hatramin’ny Ranomasin-tSira. Izany no ho taninareo araka ny faritra manodidina azy.
dia nihandrona ny rano midina avy any ambony, ka niavosa hoatra ny antontan-javatra terỳ lavitra erỳ, akaikin’ny tanànan’i Adoma, izay anilan’i Sartàna, ary tapaka mihitsy ny midina mankany amin’ny Ranomasina Arabaha, dia ny Ranomasin-tSira, ka nita tandrifin’i Jerikô ny vahoaka.