Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 20:16 - Baiboly Katolika

Midìna ianareo hamely azy rahampitso, fa indro izy hihazo amin’ny havoan’i Sisa, ary ho hitanareo erỳ amin’ny faran’ny lohasaha tandrifin’ny efitra Jeroela.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Rahampitso dia midìna hiady aminy ianareo; fa indreo, hiakatra amin’ny fiakarana Ziza izy; ary ianareo dia hahita azy eo amin’ny faran’ny lohasahan-driaka tandrifin’ny tany efitr’i Jeroela.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Rahampitso dia midîna hiady amin’ny fahavalonareo izay miakatra amin’ny fiakarana Hatsitsa izao. Ianareo kosa hahita azy eo amin’ny faran’ny lohasahan-driaka tandrifin’ny taniefitr’i Jeroela.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Rahampitso dia midîna hiady amin’ny fahavalonareo izay miakatra amin’ny fiakarana Hatsitsa izao. Ianareo kosa hahita azy eo amin’ny faran’ny lohasahan-driaka tandrifin’ny taniefitr’i Jeroela.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Rahampitso dia midìna hiady aminy hianareo; fa, indreo, hiakatra amin’ny fiakarana Ziza izy; ary hianareo hahita azy eo amin’ny faran’ny lohasahan-driaka tandrifin’ny efitr’i Jeroela.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Rahampitso dia midìna hiady aminy ianareo; fa, indreo, hiakatra amin'ny fiakarana Ziza izy; ary ianareo hahita azy eo amin'ny faran'ny lohasahan-driaka tandrifin'ny efitr'i Jeroela.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Rahampitso dia midìna hiady aminy ianareo; fa indreo, hiakatra amin’ny fiakarana Ziza izy; ary ianareo dia hahita azy eo amin’ny faran’ny lohasahan-driaka tandrifin’ny tany efitr’i Jeroela.

Jereo ny toko



2Tantara 20:16
3 Rohy Ifampitohizana  

ka nanao hoe: «Mampandria sofina, ry Jôsafata mpanjaka! Izao no lazain’i Iaveh aminareo: Aza matahotra na manam-badi-po eo anatrehan’ireo vahoaka be ireo, fa tsy anareo ity ady ity, fa an’Andriamanitra.


Tsy hisy tokony hiadianareo akory amin’ity, fa tongava dia mijanòna eo, fa ho hitanareo ny famonjena hataon’i Iaveh anareo, ry Jodà sy i Jerosalema. Aza matahotra na manam-badi-po; mivoaha ianareo rahampitso hitsena an’ireo, fa homba anareo i Iaveh.»


Ary hoy i Iaveh tamin’i Jôsoe: «Aza matahotra an’ireo fa rahampitso toy izao dia hatolotro eo anoloan’i Israely izy ireo, ka hatolotro izy efa voagorobaka avokoa, ka traingoy ny soavaliny, ary dory ny kalesiny.»