Fa hoy ny navalin’i Mikea: «Velona i Iaveh! Dia izay holazain’i Iaveh amiko ihany no hambarako koa.»
2Tantara 18:13 - Baiboly Katolika Fa hoy ny navalin’i Mikea: «Velona i Iaveh! Izay hambaran’Andriamanitra no holazaiko.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy i Mikaia: Raha velona koa NY TOMPO dia izay lazain’Andriamanitro ihany no hambarako. DIEM PROTESTANTA Fa hoy i Mikaià hoe: –Velona ny TOMPO, ka mianiana aho fa izay lazain’Andriamanitra ihany no hambarako. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa hoy i Mikaià hoe: –Velona ny TOMPO, ka mianiana aho fa izay lazain’Andriamanitra ihany no hambarako. Baiboly Protestanta Malagasy Dia hoy Mikaia: Raha velona koa Jehovah, izay lazain’Andriamanitro ihany no hambarako. Malagasy Bible Dia hoy Mikaia: Raha velona koa Jehovah, izay lazain'Andriamanitro ihany no hambarako. La Bible en Malgache Dia hoy i Mikaia: Raha velona koa NY TOMPO dia izay lazain’Andriamanitro ihany no hambarako. |
Fa hoy ny navalin’i Mikea: «Velona i Iaveh! Dia izay holazain’i Iaveh amiko ihany no hambarako koa.»
Ilay iraka lasa niantso an’i Mikea dia niteny taminy nanao hoe: «Efa iray teny, milaza soa ho an’ny mpanjaka avokoa izao ny mpaminany, ka aoka ny teninao mba hifanaraka amin’ny azy isany, mba milazà soa koa.»
Nony mby teo amin’ny mpanjaka izy, dia hoy ny mpanjaka taminy: «Ry Mikea, handeha hanafika an’i Ramôta any Galaada va isika, sa tokony hijanona va aho?» Ary hoy ny navaliny: «Miakara ka maharese, fa efa voatolotra eo an-tananareo izy.»
Aoka ny mpaminany nanonofy hilaza izany nofy izany; ary izay manana ny teniko, hilaza marina ny teniko. Fa inona izay mololo raha miolotra amin’ny vary? - teny marin’i Iaveh. -
Ary hoy i Jeremia mpaminany, namaly azy ireo: «Dia reko izany; ka indro aho, hivavaka amin’i Iaveh Andriamanitrareo araka ny teninareo; ary hambarako aminareo avokoa, fa tsy misy hanafenako izay havalin’i Iaveh anareo.»
Hoy ny Anjelin’i Iaveh tamin’i Balaama: «Mandehana ihany miaraka amin’ireo lehilahy ireo, nefa aza milaza zavatra hafa afa-tsy izay holazaiko aminao.» Dia nandeha i Balaama, niaraka tamin’ny andriandahin’i Balàka.
Fa hoy ny navaliny nanao hoe: «Moa tsy tokony hotandremako va ny hilaza izay ataon’i Iaveh ato am-bavako?»
Fa hoy ny navalin’i Balaama an’i Balàka nanao hoe: «Moa tsy efa niteny taminao va aho nanao hoe: izay lazain’i Iaveh, hataoko avokoa?»
Na dia homen’i Balàka volafotsy sy volamena eran’ny tranony aza aho, dia tsy hahazo mandika ny tenin’i Iaveh, ka hanao na inona na inona, na soa na ratsy amin’ny nahim-poko, fa izay holazain’i Iaveh ihany no holazaiko.
satria efa nambarako avokoa fa tsy nisy nafeniko taminareo ny sitrapon’Andriamanitra rehetra.
Fa izao no noraisiko tamin’ny Tompo sy nafindrako taminareo kosa: tamin’ny alina namadihana Azy iny i Jesoa dia nandray mofo,
Fa tsy mba toy ny sasany izay mampifaho ny tenin’Andriamanitra izahay, fa tsy misy famahony sy araka ny nanomezan’Andriamanitra azy no itorianay azy eo anatrehan’Andriamanitra, ao amin’i Kristy.
Ary ankehitriny, olombelona ve no ilàko sitraka sa Andriamanitra? Moa ny hamalifaly ny olombelona va no kendreko? Raha mbola mila sitraka amin’olombelona koa aho, dia tsy mpanompon’i Kristy akory.
fa araka ny nankasitrahin’Andriamanitra ny hametrahana ny Evanjely aminay no ampianaranay azy, tsy toy ny mila sitraka amin’olombelona, fa amin’Andriamanitra izay mizaha toetra ny fonay.