Fa tena tsy nisy nivaro-tena toa an’i Akaba hanao izay ratsy eo imason’i Iaveh, satria i Jezabela vadiny no namporisika azy.
2Tantara 18:1 - Baiboly Katolika Nanan-karena amam-boninahitra be i Jôsafata ary nanao fanambadiana izy nihavanany tamin’i Akaba. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nanana harena sy voninahitra be i Josafata; ary ny zanany lahy dia nampanambadiny ny zanakavavin’i Ahaba. DIEM PROTESTANTA Nanan-karena sy voninahitra be i Jôsafata; ary ny zanany lahy dia nampanambadiany ny zanakavavin’i Ahaba mpanjakan’i Israely. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nanan-karena sy voninahitra be i Jôsafata; ary ny zanany lahy dia nampanambadiany ny zanakavavin’i Ahaba mpanjakan’i Israely. Baiboly Protestanta Malagasy ARY Josafata nanana harena sy voninahitra be; ary ny zanani-lahy dia nampanambadiny ny zanakavavin’i Ahaba. Malagasy Bible Ary Josafata nanana harena sy voninahitra be; ary ny zananilahy dia nampanambadiny ny zanakavavin'i Ahaba. La Bible en Malgache Nanana harena sy voninahitra be i Josafata; ary ny zanany lahy dia nampanambadiny ny zanakavavin’i Ahaba. |
Fa tena tsy nisy nivaro-tena toa an’i Akaba hanao izay ratsy eo imason’i Iaveh, satria i Jezabela vadiny no namporisika azy.
Nony hitan’i Atalia renin’i Okoziasa fa maty ny zanany, dia nitsangana izy ka nandringana ny zanak’andriana rehetra.
Nandeha tamin’ny lalan’ny mpanjakan’i Israely izy tahaka ny nataon’ny taranak’i Akaba, fa zanakavavin’i Akaba no vadiny, ka nanao ratsy eo imason’i Iaveh izy.
Efa nandroso amin’izay hampisondrotra azy ho amin’ny voninahitra ambony indrindra i Jôsafata. Nanao trano mimanda sy tanàna fitahirizana teo amin’i Jodà izy.
Koa nohamafisin’i Iaveh teo an-tanany ny fanjakana ary nitondran’i Jodà rehetra fanatitra i Jôsafata, ka nanan-karena amam-boninahitra be.
Nony nahita an’i Jôsafata ny komandin’ny an-kalesy, dia nanao hoe: «Inty tokoa ny mpanjakan’i Israely, sady nohodidininy hasiana izy.» Niantso mafy i Jôsafata dia novonjen’i Iaveh, ka nampanalavirin’Andriamanitra azy ny Sirianina.
dia nitsena azy i Jehò, mpahita, zanak’i Hananì, ka hoy izy tamin’i Jôsafata mpanjaka: «Tokony hampiana va ny ratsy fanahy? Ary ny mankahala an’i Iaveh va no tianao? Noho izany dia ao aminao ny fahatezerana avy amin’i Iaveh.
Tatỳ aorian’izany i Jôsafata mpanjakan’i Jodà, nikambana tamin’i Okoziasa mpanjakan’i Israely izay melo-pitondran-tena.
Nandeha tamin’ny lalan’ny mpanjakan’i Israely izy, tahaka ny nataon’ny taranak’i Akaba, fa zanak’i Akaba no vadiny, ka nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh.
Koa katsaho àry aloha ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany, dia homena izany rehetra izany ianareo ho fanampiny.
Aza manao fikambanan-jioga hafahafa amin’ny tsy mpino ianareo; satria, inona moa no ikambanan’ny fahamarinana sy ny faharatsiana? Na inona no iraisan’ny mazava sy ny maizina?