Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 16:2 - Baiboly Katolika

Dia namoaka volafotsy sy volamena tao amin’ny rakitry ny tranon’i Iaveh sy ny tranon’ny mpanjaka i Asà, ka nandefa iraka ho any amin’i Ben-Hadada, mpanjakan’i Siria, izay nonina tany Damasa, hilaza hoe:

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Namoaka volafotsy sy volamena avy tao amin’ny efitrano fitahirizana tao amin’ny ny tranon’NY TOMPO sy avy tao amin’ny efitrano fitahirizana ao amin’ny tranon’ny mpanjaka i Asa dia nampanatitra azy tany amin’i Beny-Hadada, mpanjakan’i Arama, izay nitoetra tany Damaskosy ka nampilazainy hoe:

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Koa nangalan’i Asà volafotsy sy volamena ny raki-tsoa tao an-tranon’ny TOMPO sy tao an-dapan’ny mpanjaka; dia nalefany ho an’i Bena-Hadada mpanjakan’i Siria izay nipetraka tany Damasy izany sady nombany hafatra hoe:

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Koa nangalan’i Asà volafotsy sy volamena ny raki-tsoa tao an-tranon’ny TOMPO sy tao an-dapan’ny mpanjaka; dia nalefany ho an’i Bena-Hadada mpanjakan’i Siria izay nipetraka tany Damasy izany sady nombany hafatra hoe:

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Asa namoaka volafotsy sy volamena avy tamin’ny rakitry ny tranon’i Jehovah sy ny tranon’ny mpanjaka, dia nampitondra azy tany amin’i Beni-hadada, mpanjakan’i Syria, izay nitoetra tany Damaskosy, ka nanao hoe:

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Asa namoaka volafotsy sy volamena avy tamin'ny rakitry ny tranon'i Jehovah sy ny tranon'ny mpanjaka, dia nampitondra azy tany amin'i Beni-hadada, mpanjakan'i Syria, izay nitoetra tany Damaskosy, ka nanao hoe:

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Namoaka volafotsy sy volamena avy tao amin’ny efitrano fitahirizana tao amin’ny ny tranon’NY TOMPO sy avy tao amin’ny efitrano fitahirizana ao amin’ny tranon’ny mpanjaka i Asa dia nampanatitra azy tany amin’i Beny-Hadada, mpanjakan’i Arama, izay nitoetra tany Damaskosy ka nampilazainy hoe:

Jereo ny toko



2Tantara 16:2
8 Rohy Ifampitohizana  

Nalain’i Asà kosa ny volafotsy sy volamena sisa rehetra tao amin’ny rakitry ny tranon’i Iaveh sy ny rakitry ny tranon’ny mpanjaka, ka nataony teo an-tanan’ny mpanompony; dia nalefan’ny mpanjaka Asà ireo, ho any amin’i Ben-Hadada zanak’i Tabremôna, zanak’i Heziôna, mpanjakan’i Siria nonina tao Damasa, hanao hoe:


Tamin’izany, niakatra namely an’i Geta, i Hazaela, mpanjakan’i Siria, ka nahafaka azy. Dia nikasa hiakatra hamely an’i Jerosalema izy.


Ary nalain’i Akaza ny volafotsy sy volamena hita tao an-tranon’i Iaveh, sy tao amin’ny rakitry ny tranon’ny mpanjaka, nampitondrainy ho fanomezana ny mpanjakan’i Asiria.


Ka nomen’i Ezekiasa avokoa ny volafotsy hita tao an-tranon’i Iaveh, sy tao amin’ny rakitry ny tranon’ny mpanjaka.


Tamin’ny taona faha-36 nanjakan’i Asà dia niakatra hamely an’i Jodà, i Baasà mpanjakan’i Israely, ka naoriny i Ramà mba hisakana ny olon’i Asà tsy hahazo mivoaka sy miditra.


«Aoka hisy fanekem-pihavanana amiko sy aminao, toy ny tamin-drainao sy tamin’ikaky. Mampanatitra volafotsy sy volamena ho anao aho. Ary ianao kosa, andeha tsoahy ny fanekenao amin’i Baasà, mpanjakan’i Israely, mba hialany amiko.»


Nalain’i Akaza ny zavatra tao an-tranon’i Iaveh sy ny tao an-tranon’ny mpanjaka mbamin’ny lehibe, ka nanao fanatitra ho an’ny mpanjakan’i Asiria, fa tsy nahazo fanampiana tamin’izany izy.


Teny mamely an’i Damasa. Very hevitra i Hamata sy i Arfada, fa nandre filazàn-doza izy, ka nivarahontsaky ny tahotra, mova tsy ny ranomasina misamboaravoara tsy mety mitony.