Raha miakatra hanao sorona any an-tranon’i Iaveh any Jerosalema ny vahoaka, hitodika ny fon’ity vahoaka ity hankany amin’ny tompony indray, amin-dRôbôama mpanjakan’i Jodà, dia hamono ahy ka hiverina amin-dRôbôama mpanjakan’i Jodà.»
2Tantara 16:1 - Baiboly Katolika Tamin’ny taona faha-36 nanjakan’i Asà dia niakatra hamely an’i Jodà, i Baasà mpanjakan’i Israely, ka naoriny i Ramà mba hisakana ny olon’i Asà tsy hahazo mivoaka sy miditra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tamin’ny taona fahenina amby telopolo nanjakan’i Asa dia niakatra hamely ny Joda i Basa, mpanjakan’ny Israely, ka nanamboatra an’i Rama mba tsy hisy hahazoan’i Asa, mpanjakan’i Joda, hivoaka na hiditra. DIEM PROTESTANTA Tamin’ny taona faha-36 nanjakàn’i Asà, dia niakatra hanafika ny tanin’i Joda i Bahasà mpanjakan’i Israely ka nanamafy ny tanànan’i Ramà izy mba hisakanan-dalana an’i Asà mpanjakan’i Joda. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tamin’ny taona faha-36 nanjakàn’i Asà, dia niakatra hanafika ny tanin’i Joda i Bahasà mpanjakan’i Israely ka nanamafy ny tanànan’i Ramà izy mba hisakanan-dalana an’i Asà mpanjakan’i Joda. Baiboly Protestanta Malagasy TAMIN’ny taona fahenina amby telo-polo nanjakan’i Asa dia niakatra Basa, mpanjakan’ny Isiraely, hamely ny Joda, ka nanamboatra an’i Rama izy mba tsy hisy hahazo hivoaka na hiditra ho an’i Asa, mpanjakan’ny Joda. Malagasy Bible Tamin'ny taona fahenina amby telo-polo nanjakan'i Asa dia niakatra Basa, mpanjakan'ny Isiraely, hamely ny Joda, ka nanamboatra an'i Rama izy mba tsy hisy hahazo hivoaka na hiditra ho an'i Asa, mpanjakan'ny Joda. La Bible en Malgache Tamin’ny taona fahenina amby telopolo nanjakan’i Asa dia niakatra hamely ny Joda i Basa, mpanjakan’ny Israely, ka nanamboatra an’i Rama mba tsy hisy hahazoan’i Asa, mpanjakan’i Joda, hivoaka na hiditra. |
Raha miakatra hanao sorona any an-tranon’i Iaveh any Jerosalema ny vahoaka, hitodika ny fon’ity vahoaka ity hankany amin’ny tompony indray, amin-dRôbôama mpanjakan’i Jodà, dia hamono ahy ka hiverina amin-dRôbôama mpanjakan’i Jodà.»
Fahizany, nandry andriran’antsy izay nandeha nivezivezy, fa voan’ny korontam-be ny mponina rehetra tamin’ny tany.
Novoriny daholo i Jodà sy i Benjamina mbamin’ireo avy amin’i Efraima sy i Manase ary i Simeôna, izay tonga nonina teo aminy, fa betsaka ny olona tamin’i Israely no tonga niandany taminy, nony nahita fa nomba azy i Iaveh Andriamaniny.
Dia namoaka volafotsy sy volamena tao amin’ny rakitry ny tranon’i Iaveh sy ny tranon’ny mpanjaka i Asà, ka nandefa iraka ho any amin’i Ben-Hadada, mpanjakan’i Siria, izay nonina tany Damasa, hilaza hoe:
Ny teny natao tamin’i Jeremia avy amin’i Iaveh taorian’ny nandefasan’i Nabozardàna, lehiben’ny mpiambina azy hiala tany Ramà, nony nampanalainy izy, ilay mbola nifatotra iny, teo amin’ireo babo rehetra avy any Jerosalema sy Jodà izay nentina ho any Babilôna.
Ny lava-drano nanarìan’i Ismaely ny fatin’ireo olona novonoiny noho ny amin’i Godoliasa, dia ilay nataon’i Asa, mpanjaka, noho ny amin’i Baasa, mpanjakan’i Israely, io no nofenoin’i Ismaely zanak’i Nataniasa, faty.