2Tantara 14:5 - Baiboly Katolika Nanao tanàna mimanda tamin’i Jodà izy, fa nandry ny tany, ary tsy nisy ady namely azy tamin’izany taona izany, satria nomen’i Iaveh fitsaharana izy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nanorina tanàna mimanda tany Joda izy; dia nandry fehizay ny tany fa tsy nisy ady tamin’izany andro izany, satria NY TOMPO no nanome azy fiadanana. DIEM PROTESTANTA Eny, nandry feizay tokoa ny tany fa tsy nisy niady tamin’i Asà nandritra ireo taona ireo, satria ny TOMPO no nanome azy fiadanana ary nanamafy tanàna maro tao Joda ny mpanjaka nandritra izany fotoam-pilaminana izany Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Eny, nandry feizay tokoa ny tany fa tsy nisy niady tamin’i Asà nandritra ireo taona ireo, satria ny TOMPO no nanome azy fiadanana ary nanamafy tanàna maro tao Joda ny mpanjaka nandritra izany fotoam-pilaminana izany Baiboly Protestanta Malagasy Ary nanao tanàna mimanda tany Joda izy; ka dia nandry fahizay ny tany, fa tsy nisy ady tamin’izany andro izany; fa Jehovah no nanome azy fiadanana. Malagasy Bible Ary nanao tanàna mimanda tany Joda izy; ka dia nandry fahizay ny tany, fa tsy nisy ady tamin'izany andro izany; fa Jehovah no nanome azy fiadanana. La Bible en Malgache Nanorina tanàna mimanda tany Joda izy; dia nandry fehizay ny tany fa tsy nisy ady tamin’izany andro izany, satria NY TOMPO no nanome azy fiadanana. |
Dia nesoriny ny fitoerana avo sy ny sariolona, teo amin’ny tanànan’i Jodà rehetra, ka dia nandry feizay ny fanjakana teo anatrehany.
Noravana teo anatrehany ny ôtelin’ireo Baala, dia nazerany ny sariolona teo amboniny natokana ho an’ny masoandro, notorotoroiny ny aserah, ny sarin-javatra voasikotra, ny sarin-javatra anidina, nataony zary vovoka ireny, dia nafafiny teny amin’ny fasan’izay nanatitra sorona taminy,
dia noravany koa ny ôtely, notorotoroiny nataony zary vovoka ny aserah sy ny sarin-javatra voasikotra, ary nazerany avokoa ny sary mivongana natokana ho an’ny masoandro, teo amin’ny tanin’i Israely rehetra, vao niverina nankany Jerosalema izy.
ny ôtelinareo ho voarava, ny andrinareo ho an’ny masoandro, hotapahina; ny lehilahinareo hataoko mitsingidina, voan’ny fahafatesana, eo anoloan’ny sampinareo;
Efa ela no nanomezan’i Iaveh fitsaharana an’i Israely, sy nanafahany azy tamin’ny fahavalony rehetra amin’ny manodidina, ka efa zokiolona sy nandroso fahanterana i Jôsoe.