Ny sisa tamin’ny asan’i Abiama, mbamin’izay rehetra nataony, moa izany va tsy efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Jodà? Niady i Abiama sy i Jerôbôama.
2Tantara 13:3 - Baiboly Katolika Ka i Abià no nanomboka ny ady, nitondra miaramila mpiady mahery, lehilahy voafantina, 400.000; fa lehilahy voafantina 800.000, mpiady mahery, kosa no nalahatr’i Jerôbôama hiady aminy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 I Abia no nanomboka ny ady ka nitondra miaramila mahery, dia lehilahy efatra hetsy voafantina; i Jeroboama kosa dia nandahatra ny azy hiady aminy, dia lehilahy valo hetsy voafantina, samy mahery avokoa. DIEM PROTESTANTA Ary i Abià no nanomboka izany ka nitondra miaramila maherifo, dia vatan-dehilahy voafantina nisy andiany efajato. I Jerôbohama kosa nandahatra ny azy hiady aminy, dia vatan-dehilahy voafantina nisy andiany valonjato sady samy maherifo avokoa. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary i Abià no nanomboka izany ka nitondra miaramila maherifo, dia vatan-dehilahy voafantina nisy andiany efajato. I Jerôbohama kosa nandahatra ny azy hiady aminy, dia vatan-dehilahy voafantina nisy andiany valonjato sady samy maherifo avokoa. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Abia niantomboka niady ka nitondra miaramila mahery, dia lehilahy efatra hetsy voafantina; ary Jeroboama kosa nandahatra ny azy hiady aminy, dia lehilahy valo hetsy voafantina, samy mahery avokoa. Malagasy Bible Ary Abia niantomboka niady ka nitondra miaramila mahery, dia lehilahy efatra hetsy voafantina; ary Jeroboama kosa nandahatra ny azy hiady aminy, dia lehilahy valo hetsy voafantina, samy mahery avokoa. La Bible en Malgache I Abia no nanomboka ny ady ka nitondra miaramila mahery, dia lehilahy efatra hetsy voafantina; i Jeroboama kosa dia nandahatra ny azy hiady aminy, dia lehilahy valo hetsy voafantina, samy mahery avokoa. |
Ny sisa tamin’ny asan’i Abiama, mbamin’izay rehetra nataony, moa izany va tsy efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Jodà? Niady i Abiama sy i Jerôbôama.
Natolotr’i Jôaba an’i Davida ny boky nisy ny isam-bahoaka, ka nisy 1.100.000 ny lehilahy mahatan-tsabatra teo amin’i Israely rehetra, ary 470.000 ny lehilahy mahatan-tsabatra teo amin’i Jodà.
Nony tafaverina tany Jerosalema i Rôbôama, dia namory ny taranak’i Jodà sy i Benjamina, mpiady voafantina 180.000, hiady amin’i Israely hampody ny fanjakana amin-dRôbôama.
Ny anaran-dreniny dia Mikaià, zanaka vavin’i Oriela, avy any Gabaà. Niady i Abià sy i Jerôbôama.
Nitsangana teo an-tampon-tendrombohitra Semeròna, teo amin’ny tendrombohitr’i Efraima, i Abià ka nanao hoe: «Mihainoa ahy, ry Jerôbôama sy i Israely rehetra!